Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 18h25
 

Malagasy

Tsenan’Ivato

Marary saina hoe ilay zandary nitifitra ?

mardi 22 juillet 2008 | Njaka

Androany indray vao hiakatra fampanoavana ny raharaha fitifirana tovolahy nataon’ilay zandary teny Ivato milaza fa mpiasan’ny fiadidiana ny Repoblika. Nihemotra izany raha tokony omaly maraina. Ny 11 aprily tamin’ny 4 ora hariva, tao amin’ny fivarotana fisotroana ity tovolahy ity no notifirin’ilay zandary basy. Maty teo no ho eo ihany izy satria niditra teo amin’ny tratrany ny bala ary tafavoaka tany an-damosina. Tsy nisy fikarakarana nataon’ ny fianakavian’ilay namono fa nolazain’ ireo havany fa marary saina aza ilay zandary nitifitra.Tsy nisy koa ny fampidirana am-ponja vonjimaika. Roa volana katroka aty aoriana, ny 12 jona teo vao nisy ny famotorana nataon’ny borigadin’ny zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana. Nantsoina tamin’izany ny fianakavian’ny maty, ny tompon’ilay toeram-pisotroana, lehilahy sy vehivavy iray niaraka tamin’izy ireo nanatri-maso ny fitifirana.

Tsy misy hifandraisany ilay nitifitra sy ilay maty fa ilay namany antsoina hoe Tojo no niantso ilay tovolahy tao an-tranony . Efa tao amin’ny toeram-pisotroana kosa ilay zandary efa nisotro hatramin’ny maraina. Milaza fa manana fianakaviana zandary ity nitifitra ity, ary samy miasa amin’ny fiadidiana ny Repoblika avokoa.

Nentina teny Anjanamasina ilay lehilahy saingy tsy naseho ny fianakavian’ny maty akory. Tsy misy afaka manaporofo fa marary saina tokoa. Manalabaraka ny fitondrana sy ny fiadidiana ny Repoblika ny tahaka izao satria matetika dia manararaotra ny anaran’ny filoham-pirenena ny toy izany, na misandoka. Miaramila ve harary saina ? Tsy hampiasa olona tahaka izany koa ny fiadidiana ny Repolika. Tany Antsirabe ilay zandary no hita ary ny sabotsy teo vao nentina niakatra teny Fiadanana. Nitonona ho zandary avokoa ary olona akaiky ny filoha ny havan’ilay nitifitra ka matahotra ny fianakavian’ny maty.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS