Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 20h30
 

Teny zato, kabary arivo

Marary...

jeudi 10 juillet 2008 | Naivo kely

Tsy misy afa-tsy ny baolina kitra ve ny fanatanjahan-tena eto ? Io no mby tonga ao an-tsain’ny maro, raha mahita fa ity taranja iray ity no hifantohan’ny fanjakana mafy ny fampiakarana avo azy. Nosoloina mihitsy ny minisitry ny Fanatanjahan-tena teo aloha, satria angaha tsy nifanaraka tamin’ny tanjona nokasaina ny asa nataony ?

Tsy misy afa-tsy ny baolina kitra aloha hatreto ny resaka, ary dia nanafarana mpanazatra vahiny mihitsy hijery ifotony raharaha. Tsy olana izany, satria fahaiza-manao no tadiavina. Saingy toa tsy voajery intsony ny fanatanjahan-tena hafa, na dia hita fa marary aza. Sa ny baolina kitra ve no be mpankafy indrindra, ka aleo io no imasoan’ny fitondrana mafy ? Tsara ny milaza fa ireo taranja hafa, dia efa nitondra avo ny voninahim-pirenena, saingy ny baolina kitra kosa, dia io manetry ny voninahim-pirenena lava io. Tsy aleo ve hiarahana mijery avokoa ny fanatanjahan-tena rehetra, ka izay tsy voaharina amin’iray, mba voaharo atsy ankilany. Ny fijerena mitanila ny sehatra tahaka izao no maha-kely ny finiavana ny tanora hilofo bebe kokoa amin’ny taranja izay izay nataony. Hilaina fiheverana fa tsy ny baolina kitra ihany akory no fanatanjahan-tena eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS