Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 18h32
 

Malagasy

Ivato - Firaisana

Manomboka ny fandroahana mpiasa

vendredi 4 janvier 2008 |  618 visites  | Naivo kely

Tao anatin’ny fotoana fohy monja nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny fitantanana ny kaominina eny Ivato-Firaisana, dia efa manomboka sahady ny fandroahana ireo mpiasa ao amin’ity kaominina ity. Araky ny fanapahana lah 001/08/KA/IV-FIR/M izay navoakan’ny teo anivon’ity kaominina ity, dia manapaka fa atsahatra tsy hanohy ny asany intsony ireo polisy kaominaly manerana ny kaominina Ambanivohitra Ivato-Firaisana. Ankoatra io dia voalaza fa voaroaka ihany koa ireo sekretera dimy eny anivon’ny fokontany, izany hoe mahatratra 26 ireo mpiasa voaroaka, raha 54 ny tena isan’ny mpiasa ao. Tsara ny manamarika fa mpiasa efa niasa 10 taona mahery ireto voaroaka ireto ka zary mizaka ny zioga politika tsy fidiny ireo madinika. Fanomezana hafa kely izany no azon’ireo mpiasa ireo tamin’ity taona vaovao ity, satria ny mpiray monina mihitsy no mandroaka ny tena raha vao nandray fahefana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS