Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 12h25
 

Malagasy

Mahajanga

« Mandry tsy lavo loha ny mponina »

vendredi 11 mai 2007 | Tsievhanta

Tsy dia mandry loatra ny fahalemana raha eto antampon-tanànan’i Mahajanga no resahana. Ny Alarobia hariva lasa teo ohatra dia nandeha ny resaka fa hirotsaka andàlam-be ireo antoko mpanohitra ny fitondrana. Nikorontana ny saim-bahoaka noho io resaka niely eran’ny tanàna io. Nisy rahateo koa ny fampiantsoana ireo mpivarotra eny an-tsenan’i Mahabibo teny amin’ny lapan’ny tanàna, nanambarana azy ireo mba tsy hivarotra entana betsaka eny an-tsena eny iny hariva iny. Nandeha mantsy ny resaka fa mety hidina eny an-tsena voalaza io ireo mpanohitra ireo ary izany no nahamailo ny tompon’andraikitry ny filaminana teto an-tanàna. Io ihany koa no antony niantsoana ireo mpivarotra teny amin’ny lapan’ny tanàna.

Vokatr’ireo rehetra ireo dia nikatona daholo ny fivarotana rehetra teto Mahajanga ny alarobia hariva indrindra ireo mpivarotra eny an-tsena. Leom-boanana tokoa ireo mpivarotra, satria isaky ny misy hetsika tahak’izao dia mitondra faisana foana ny mpivarotra indrindra ireo karana. Tsikaritra ihany koa fa feno mpitandro filaminana ny teny akaikin’ny « Jeunesse et Sport », izay toerana fanaovan’ireo mpanohitra fotoana ny Alarobia io. Ary ireo mpanohitra kosa dia nihaodihaody teny lavitra ny sasany.Hatramin’izao aloha dia mbola tsy nisy zavatra nitranga firy fa milamindamina indray ny aty Mahajanga. Saingy ny polisy sy ny miaramila dia mbola mameno sy mivezivezy eran’ny tanàna.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS