Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 13h23
 

Malagasy

Fihinanana hen’omby

Mandositra ny mpihinana

vendredi 4 avril 2008 | Naivo kely |  545 visites 

Sahiran-tsaina ny mpanjifa amin’ny feo miely momba ny aretina eo amin’ny hen’omby. Zary mihanahana fotsiny ity sakafo ity eny an-tsena ankehitriny, satria miteraka tahotra ho an’ny vahoaka ny aretina entiny.

Na dia efa nanambara aza ny mpitondra fanjakana fa voafehy tanteraka ny momba ity aretina mpahazo ny omby ity, dia hita hatreto fa mihanaka amin’ny fomba haingana ny feo izay toa mampitandrina ny olona tsy hihinana izany hena izany. Miainga eny amin’ny mpivarotra, mipaka hatrany amin’ny hotely ary ny tena loza dia toa tsy misy mpihinana intsony ny masikita. Ireo tsy mihinana hena kisoa kosa dia ny trondro sy ny akoho no atao laoka. Ireo tsy dia ampy vola, dia ny anana sisa no takatra.

Miaiky ny maro fa misy fepetra raisin’ny tompon’andraikitra isaky ny kaominina amin’ny fanaraha-maso ny hena amidy eny an-tsena, saingy tsy mahasakana ny ahiahin’ny maro ny toy izany.

Ny tsapa kosa, dia hifandrombahana ny hena omby eny amin’ny trano fivarotana goavana eto andrenivohitra. Firy amin’ny gasy anefa no afaka miantsena any ? Ilaina ny mitandrina, saingy rehefa ho tonga ny loza, ny hena omby aza dorana an-kalamanjana toy ny teny Itaosy farany teo.