Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h01
 

Malagasy

Filatsahan’ny Fanahy Masina

Manazava ny Pasitera « Jesosy Mamonjy » iray

jeudi 22 mai 2008 | Princia R.

Nisarika ny sain’ny olona maro tato ho ato ny mikasika ilay zaza niteny tamin’ny fiteny anglisy tany Faratsiho rehefa avy nahazo ny Fanahy Masina ka nanatona Pasitera avy amin’ny fiangonana niaviany izahay mba ahazo fanampim-panazavana.

28 taona nitondràna fiangonana teo anivon’ny Jesosy Mamonjy ny Pasitera Rakotohasinoro Honoré, izy no filoha lefitry ny Fiangonana Jesosy Mamonjy manerana an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao izy mitandrina eto Antsirabe, ary efa nitety fiangonana maro manerana ny nosy. Nambarany fa efa maro ny tranga tahaka ity tranga niseho tany Faratsiho ity teo anivon’ny fiangonana ihadidiany.

Ny fiangonana « Jesosy Mamonjy » dia anisan’ireo fiangonana isehoan’ny fiasan’ny Fanahy Masina amin’ny fitenenan’ny mpino amin’ny teny tsy fantatra ka raha eo anivon’ny fiangonana dia tsy dia mahagaga loatra ny tranga toy izany.

Ny fisehoany ?

« Amin’ny fotoana iasan’ny Fanahy Masina ao amin’ny olona iray dia mizara roa ity resaka miteny tsy fantatra ity : ny iray dia miteny amin’ny teny fampiasa eto ambonin’ny tany ilay olona. Ohatra : Anglisy , Espaniola, Hebreo… ; fa mety ihany koa miteny ny fitenin’ny lanitra izany hoe fomba fiteny ifandraisan’Andriamanitra amin’ilay olona misy ny fanahy Masina.

Ny fisehony kosa indray dia misy karazany telo ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra : « Mety ho ny fanahy mamitaka no mampiteny azy, mety koa noho ny sitrapony manokana ; mety koa anefa ho ny herin’ny fanahy Masina tokoa no mampiteny azy.

Fantatra anefa izay manosika ny olona iray hiteny tsy fantatra rehefa hamarinina izay hambarany ka olona mahay ilay fiteny no mandika azy. Raha tany ka fanahy mamitaka no ao amin’ilay olona dia tsy feno loatra ny hafatra tiany ambara, eo ihany koa ny fitarafana azy eo amin’ny fiainana andavan’andro hoe olona manana ny Tompo ve sa olona manao ahoana. Raha ny tenany manokana no mampiteny azy izany hoe sitrapony ny miteniteny eo dia tsy feno koa ny hafatra fa mety ho mamerina izay vokabolary fantany eo izy, izany hoe fiteny sahaza ny farim-pahalalàny no avoakany. Ny sokajy farany dia ny Fanahy Masina tonga ao aminy no mampiteny azy dia re fa mampita hafatra tsara sy vaovao mahafaly ilay hafatra ary hita ho tsy takatry ny sainy na koa ny fahaizany ny teny avoakany ary marina ara-fitsipipitenenana. Eo izany aloha dia mila olona avy amin’ny firenena tompon’ilay fiteny no manamarina ilay resaka avoakan’ny olona iray ».

Raha miteny amin’ny teny tsy fantatra ny olona iray, afaka manasitrana ve ? « Rehefa manana ny Fanahy Masina ny olona iray dia Andriamanitra no miasa ao aminy, izany hoe fitaovana hampiasain’Andriamanitra hampitana hafatra izy na koa hoentin’Andriamanitra hanehoana indrindra ny Voninahiny. Misy 9 karazany ireo fanomezam-pahasoavana ary samy mitsinjara ho antoko telo izy ireo ka arakarak’izay tian’Andriamanitra hanehoany azy no hisehoany. Ny antoko voalohany dia misy ireto fanomezam-pahasoavana ireto : Ny Miteny amin’ny teny tsy fantatra, ny Mandika amin’ny teny tsy fantatra ary mamantatra avy hatrany ny fanahy mampiteny azy. Ireo matetika dia miseho ao anatin’ny fotoam-pivavahana. Ny antoko faharoa indray dia toy izany ihany misy telo karazana : Ny Finoana, ny Fahagagana ary ny Fanasitranana. Ny antoko fahatelo sady farany dia ny : Fahalalàna, ny Faminaniana ary ny Fahendrena.
Tsy voatery hanao ny iray amin’ireo anefa izay olona hisian’ny fiasan’ny Fanahy Masina fa mety ho mampita hafatra fotsiny ihany izy ».

Hafiriana ny faharetan’ny fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olona iray ?

- « Tsy voafetra fa mandra-pahatanteraky ny iraka ampanaovin’Andriamanitra azy eo amin’ny olona iray izay hitoerany ».
Arak’izany samy mametra-panontaniana isika tsirairay avy ny mahakasika an’ilay zazavavy 11 taona kilasy faha-6 lasa niteny anglisy hatramin’ny hoe alahadin’ny pantekôty teo karazana fanahy toy inona no tonga tao aminy : fanahy mpamitaka ve sa noho ny sitrapony manokana sa ny Fanahy Masina tokoa ? Marihina fa eo am-panombohana izy eo amin’ny fianarana ny fiteny anglisy.

Fanadihadihana ity ka fanadihadiana hitaterana ny zava-misy sy mitranga eny anivon’ireny antokom-pivavahana mieli-patrana eny amin’ny fiaraha-monina misy antsika ireny fa tsy hoe tsy akory ka misintona na misarika ny mpamaky hitodi-doha hanaraka ny finoana zatsy na zaroa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS