Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 18h57
 

Malagasy

Faritra Matsiatra Ambony

Manani-bohitra antoandro ny dahalo

mercredi 6 février 2008 |  356 visites  | Ramijah

Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny kaominina Andoharanomaintso iny. Miraviravy tanana ny vahoaka noho ny habibiana afitsok’ireo mpandroba ireo. Nandritry iny volana janoary iny dia tanana maherin’ny folo no norobain’ny dahalo ary ny tena loza dia tsy ny omby fotsiny no alainy fa hatramin’ny fanaka ao an-trano , na ny vilany aza. Tsy mihafahafa koa izy ireo ny handatsaka ny aina. Tsy amin’ny alina intsony toy ny taloha izy ireo no mandroba sy manafika fa na mbola tolakandro (amin’ny 4 ora ohatra). Tsy misy fampandrosoana azo eritreretina satria ny hery tokony hamokatra reraka noho ny fiambenana amin’ny alina. Vokatr’izany dia miharava ny fifampitokisana eo amin’ny mpiray tanàna sy mpiray fokontany satria mifampiahiahy ny rehetra ka very ny soatoavina maha-malagasy. Samy manavotra ny ainy sy manao izay hahatafavoaka azy fa tsy matoky ny hafa intsony. Fa ny tena loza dia tsy matoky ny mpitandro filaminana sy ny mpitondra fanjakana koa ny vahoaka. Misy mihitsy ny vaky vava hoe : « Aleonay mifanena amin’ny dahalo toy izay hifanehatra amin’ny zandary ».

Mahalasa saina sady mampatahotra izany teny izany... Mitondra basy mahery vaika ireo dahalo ireo ka lasa ihany ny eritreritra hoe : avy aiza no nivoahan’ireny ?

Isan’ny nanaitra ny maro ny fandrenesana fa hay na eo amin’ny kaominina andrenivohitr’i Fianarantsoa aza dia mbola anjakan’ny asan-dahalo. Nentiny ny ombin’olona iray tao andrefan’Antsahamasina tamin’iny fisasahan’iny volana janoary iny ohatra.

Na dia eo akaikin’ny foiben’ny mpitandro filaminana aza dia tsy afa-bela amin’ny asan-dahalo !

Ny atahorana dia sao dia ny dahalo no hametraka sy hampihatra ny lalàny ka tsy ho voafehy intsony, indray andro any !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS