Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 14h53
 

Malagasy

Fikambanana « Tanora Vonona Atsimondrano »

« Manan-kevitra matotra ny tanora »

lundi 10 mars 2008 |  344 visites  | Nivo T. A.

Manan-kevitra matotra ny tanora hanarenana ny fiainan’ny malagasy ka ilaina ny fandraisan’izy ireo andraikitra. Nisongadina izany ny faran’ny herinandro teo, teny Amboanjobe, kaominina Bongatsara sy teny Antaninkatsaka-Itaosy, nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny fikambanana « TVA » (Tanora Vonona Atsimondrano), izay tarihan’Atoa Razanantoanina Haja sy Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime, ben’ny tanànan’Ankaraobato.

Nambaran’Atoa Razanantoanina fa noho ny faha-tsapan’izy ireo fa misy toe-tsaina sy hevitra ary fomba fiasa tokony ovana eto amin’ny firenena no nahatonga ny TVA hirotsaka an-tsehatra amin’ity filan-kevi-paritra ity. Hita fa ohatry ny mikatona amin’ny tanora ny fitondrana ka tsy afa-mivelatra araka ny tokony ho izy. Nohamafisiny ihany fa tsy fanjakan’olon-tokana ny eto amintsika fa an’ny vahoaka ka noho izany rariny sy hitsiny raha ireo olona tena eo anivon’ny vahoaka no mirotsaka hiaro ny hetahetan’ny vahoaka . « Rehefa tsara ny mitarika dia manaraka ho azy ny vahoaka, rehefa tsapany ihany koa fa mahomby ny làlana hitarihana azy dia handihy tsy torahan-damba izy, ho teraka ho azy ny risi-po handray andraikitra izay tandrify azy », hoy ihany ny TVA.

Atoa Ralaiseheno Guy Maxime, izay tsy zoviana amin’ny maro eny Atsimondrano, indrindra ao anatin’ny kaominina Ankaraobato , dia nampahafantatra ny vahoaka ny andraikitry ny filan-kevi-paritra. Tamin’ireo toerana izay nanaovan’ny TVA ny fampielezan-kevitra ihany koa dia tsy nohadinoin’Atoa Ralaiseheno ny niantso ny vahoaka mba hamita ny adidy masina, ny alahady 16 marsa izao, satria izany no antoky ny fanovana tiana hatao.

Marihina fa mahatratra 261.000 ny mpifidy ao anatin’ny Distrikan’Atsimondrano, izay misy kaominina 26.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024