Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h39
 

Tsakotsako

Manalasala toa vozon’akoho

lundi 22 septembre 2008 | RAW

Amin’izao fotoana izao dia manova ny rafitry ny fampianarana ny mpitondra fanjakana. Mampiahiahy ny manampahaizana ny fomba nitondrana azy io. Ny sekoly miaraka amin’ny fiangonana Katôlika moa dia mazava fa tsy hanaraka ambokony satria tsy niadiana hevitra taminy ny fomba fanatanterahana sy votoatin’izany fanamboarana izany.

Malalaka ianareo, hoy ny filoha Ravalomanana, tsy terena.

Nanazava foana moa ny mpitondra fanjakana fa toa vitsy ihany ireo manampahaizana no resy lahatra. Ireo atao hoe sangany sy tsongoin’olom-bolo amin’ny sehatry ny fampianarana moa dia mangina. Ny azy ireo ny zanany dia efa fantany ny ho aviny, efa voasoritra. Na any amin’ny sekoly katôlika na any an-dafin’ny ranomasina any amin’ny sekoly azony antoka sy fanta-daza no mianatra.

Ny zanaky ny maro an’isa moa dia tsy afa-manoatra, fa dia mangina fotsiny, miandry izay higadonany. Hatramin’izao tokoa anie dia tsy mazava tanteraka ny votoatin’ity fanovana rafi-pampianarana ity e ! Efa iasan’ny fanovana ve ny famoahana lisitra faharoa amin’ny valin’ny bakalôrea teto Antananarivo teo ?

Ny an’ny filoha frantsay Sarkozy dia mazava raha nanasa ireo sangany amin’ny fampiarana izy tamin’ny voaloahandohan’ny volana jiona teo. « Mila fanamboarana ny rafi-pampianarana », hoy izy, "satria ny 80%-ny zanaky ny mpampianatra sy mpanankarena ary olo-panjakana ambony dia mahavita ny fampianarana ambony. Ny zanaky ny mpikarama tonga any amin’ny oniversite dia zara raha 40%. Etsy akaikin’izany dia misy 15%-ny mpianatra zara raha mahavita ny fampiarana ambaratonga voalohany. Ireo ny zava-misy Tsy mahafa-po fa mandringa sy manavaka ny rafi-pampianarana. Mila rafitra manana kalitao aho hoy izy.

Angamba mazava izay tanjona izay fa ny antsika toa mampieritreritra. Asa inona no nahatonga iny fiverenana tamin’ny valin’ny bakalôrea iny fa dia mahasadaikatra ! Toa tsy fantatra iza no tomponandraikitra marina ary tsy nisy fanasaziana fa toa mandeha ho azy fa toa efa voahitsy ny lesoka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS