Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h36
 

Malagasy

Fisokafan’ny FPVM

Mampisaraka ny samy mpino

samedi 18 août 2007 | Naivo kely

Omaly moa no nambara fa niverina nisokatra ho an’ireo mpino mpanaraka an’i Neny Justine ny fiangonana FPVM etsy Antaninanandrano, rehefa nakatona nandritra ny taona iray mahery noho ny fifanolanana nisy teo amin’ity fiangonana ity sy ny fiangonana FJKM. Fantatra ihany koa tamin’izany fotoana fa nisy ny olana anatiny tao amin’ity fiangonana FPVM ity satria toa nisintaka tamin’ny mpitandrina ny dimy tamin’ireo enina mpiandry izay mpitarika tao aminy.

Tao aorian’ny fihaonanan’ireo mpiandry dimy tamin’ny tompon’andraikim-panjakana andro vitsy lasa izay dia izao nahazo alalàna hisokatra izao ny fiangonana. Eo indrindra no mahatonga fisaraham-bazana eo amin’ny samy mpino tao amin’ity fiangonana ity. Fantatra tokoa izao fa nizara roa ireo mpino analiny maro tao aminy ka nisy ireo nanaraka ny mpitandrina namorona ny fiangonana rehefa nalana teo anivon’ny FJKM ity farany ary tao ireo nanaraka ireo mpiandry dimy.

Na inona ho fanazavana omen’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fiangonana dia tsy azo lavin’izy ireo ny fisian’ny disadisa nahatonga izao fisaraham-bazan’ny samy mpino izao. Eo ihany koa ny fahatsapana fa nisy ny fitsabahan’ny fiangonana hafa tao anatin’ity raharaha ny fiangonana FPVM manokana ity. Henatra ho an’ity fiangonana kristiana eto Madagasikara ity ny nitondra ny raharaha teny anivon’ny tribonaly na iza nahazo rariny na hahazo izany. Tsaroana etoana ny fisian’ireo mpitandro ny filaminana nirongo fitaovam-piadiana tamin’ny nanakatona io fiangonana eo Antaninananadrano io.

Amin’ireo mpino sasany moa dia mitaky ny mangarahara marina mikasika ity raharaha ity izy ireo. Inona no heloky ny ray aman-dreny mpitandrina namorona ny fiangonana FPVM no tonga amin’izao ny raharaha ? Inona ny nifanarahan’ireo ray aman-dreny mpiandry dimy tamin’ny tompon’andraikim-panjakana ka nahatonga izao fahafahana mivavaka ao Antaninanandrano izao ? Iza marina no afaka milaza ho tompon’ny trano fiangonana ao Antaninananandrano io ? Oviana no nivoaka ny didy tany amin’ny tribonaly ary nanao ahoana izany didy izany tao aorian’ireny fanemorana nisesisesy ireny ? Feno ve ny porofo notakian’ny tribonaly tamin’ny fiangonana FJKM izay mpitory ? Fanontaniana marobe toy izany no mbola mila valiny amin’ity raharaha ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS