Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Malagasy

Filohan’ny PFM

Mampiahiahy ny tenin’ny filoha Ravalomanana

lundi 21 mai 2007 | Naivo kely

Miseho ny fanehoan-kevitra isan-karazany taorian’ny tenin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana teny Ivato ny zoma teo momba ny fampitandremana ireo vahiny tsy hitsabaka lalina amin’ny fiainam-pirenentsika eto Madagasikara. Tokony ho lanjalanjaina ihany ny teny avoaka hoy ingahy Henri Lecacheur manoloana ireo masoivoho sy mpamatsy vola antsika satria mbola tsy mahavita tena isika eto Madagasikara fa miankin-doha lava amin’ny any ivelany. Tsy tokony ho enti-po rehefa miteny, indrindra fa filoham-pirenena eo amin’ny vahoaka sy ho ren’izao tontolo izao.

Antso miantefa amin’ny mpanohitra

Ekena ny fihenjanana miaro ny fiandrianam-pirenena tsy hitsabahan’ny vahiny amin’ny tokantanontsika, saingy aoka ho tony. Mba azony an-tsaina ve ny mety ho fiantraikan’iny eo amin’ny fifandraisana amin’ny firenena hafa ? Tantara mitohy iny hoy ny filohan’ny PFM, ary aoka hahay hanaja ny firaisam-pirenena amin’ny vahiny isika eto Madagasikara.

Raha ny momba ny tenin’ny filoha amin’ny filazana fa alefaso ny hevitry ireo misora-tena ho mpanohitra entina hanatsarana ny fiainam-pirenena, dia mametraka ny ahiahiny ihany ingahy Lecacheur, satria raha ny zava-misy ankehitriny, dia manjaka tanteraka ny ramatahora sy ny fampidirana am-ponja ho an’ireo maneho hevitra eto.« Mpanolon-tsainan’ny filohan’ny repoblika aho teo aloha, kanefa hitako fa tsy tafita mihitsy ny hevitra tianay ho tanterahana ka aleoko misitaka ho aty amin’ny fanoherana, satria aty malalaka kokoa ny ahafahako miteny ireo tsy mety momba ny lesoka rehetra eto amin’ny fanjakana. Koa raha milaza ny filoha fa misokatra ny varavarana amin’ireo manana hevitra isan-karazany, dia kely finoana ihany ny mpanohitra manoloana izany, ka izay no anaovany antso amin’ny mpanohitra namany mba tsy hikoso-maso amin’ny fanehoan-kevitra amin’ny raharaha hita fa tsy mandeha eto amintsika ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS