Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 juillet 2020
Antananarivo | 00h50
 

Tsakotsako

"Madagscar naturellement !"

mardi 25 novembre 2008 | RAW

Nahabe resaka nandritra iny herinandro iny ireto vahiny mihaohao eto amintsika. Tao ny Pakistane izay mamoafady mihitsy fa mampiditra zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika. Efa voatazona moa izy ireo raha ny fanadiadiana tamin’ny sabotsy lasa teo tao amin’ny Fampanoavana no jerena. Tamin’izy valo voarohirohy dia iray ihany, ilay tompon’ny kamiao, no nahazo fahafahana vonjy maika. Ny sisa dia voatazona any am-ponja mandra-piandry ny fitsarana. Isan’ireo nahiditra am-ponja ny mpamily ilay kamiao sy ireo mpanampy azy.

Ny filohampirenena moa dia nampitandrina mafy ireo mpandraharaha sy vahiny tsy manara-dalàna. Raha tsorina dia ho roahany ireo miadaladala. Asa moa na mpandraharaha vahiny no tena resaka eto na mpandraharaha malagasy koa.

Fa ny tena loza iray mitatao ihany koa ity fikasana na fifanarahan’ireto Koreana tatsimo hamboly maimaimpoana araka ny filazan’ny gazety amina velaran-tany mahatratra 1,3 tapitrisa hektara any amin’ny faritra andrefana sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Na dia notsiniana na nokianin’ny solontenan’ilay orinasa koreana aza ny fahamarinan’izany vaovao izany dia tsara ihany ny mailo lalandava.

Ra-Malina aza hono mifehy hazo tokana.

Ity resaka ity moa dia miverina amin’ilay efa nokianina hatramin’izay hoe ny tany tsy amidy amin’ny vahiny. Misy fomba fanaon’ny mpitondra hatrizay dia ny "bail emphythéotique". Mampanofa moa no dikany hita maso. Misy tsininy izy io satria mety hahatratra 99 taona ny faharetan’ny fampanofana. Ary toa io 99 taona io mihitsy no vinavina.

Raha ny fampandrosoana sy fampiroborobona ny fambolena no tena imatesan’ny fitondrana ankehitriny dia efa hitan’ireto Koreana ireto ny toerana tiany hambolena. Ary ny vinavinam-pamokarana dia mitetika ny hamokatra menaka 500 000 taonina isan-taona sy katsaka 4 tapitrisa taonina isan-taona rizareo. Raha ireo vokatra ireo aloha dia tsy ho lany eto an-toerana fa ny ampahany betsaka dia haondrana. Izany hoe, hiroborobo ny fanondranana. Saingy azo antoka fa ny fambolena eto amintsika dia voafatotra mandrakizay. Tsy hita intsony izany hoe "Madagascar naturellement" izany. Ny antony dia tsy maintsy hanenjika ny vinavina rizareo ary noho izany antony izany dia tsy maintsy hanafatra masomboly avy any ivelany. Ary dia ireo masomboly antsoina hoe OGM (organisme génétiquement modifié), na masomboly efa voavoatra, hainga-pitombo ary manome vokatra betsaka lavitra noho ny masomboly voajanahary na voafantina sy voakojakoja tsara aza izany masomboly OGM izany. Ny vokany eo amin’ny fahasalamana dia tsy fantatra loatra fa mino izahay fa misy voka-dratsiny io.

Isan’ny voka-dratsiny ohatra dia ireny olona matavy vondraka ireny. Ary raha tsy misy voka-dratsiny ve izany OGM izany, hiady mafy mba hanakanana ny fihanak’izy ireny ny sokajin’olona maro sy fikambanana maro any amin’iny firenena eropeana ?

Raha toa tsy misy voka-dratsiny ve izany OGM izany, hiazakazaka mitady ny sakafo na vokatry ny fambolena na vokatry ny fiompina tsy mampiasa akora simika ny mpanambola sy ny tokan-trano mahatakatra ny vidiny any ivelany any ? Satria tsorina fa lafo dia lafo ankehitriny ny vokatra "natoraly" na vokatra lazaina hoe "biolozika".

Soa aloha hatramin’izao fa lafo ny zezika simika sy ny fanafody tokony hiaraka aminy amin’ny fambolena ka tsy takatry ny mpamboly rehetra eto amintsika. Isan’ny niaro antsika angamba ny fahantran’ireo tantsaha ka izao ny filoha vao mamporisika ny voly vary maro anaka na SRI. Tsapany ve anefa ny loza mitatao ? Ny fantatra aloha dia i Indonezia no isan’ny mpamokatra masombolin’ny "palmiers à huile" matanjaka indrindra eran-tany ; ary i Etazonia indray no tena ngezalahy raha resaka masombolina tsakotsako sy malaza amin’ity OGM ity. Ny fantatra koa dia mihaohao mihitsy ireo firenena tsy manana velarantany lehibe hahazoany mamokatra sakafo ho an’ny mponina ao aminy, indrindra tao aorian’iny resaka krizin-tsakafo (crise alimentaire) maneran-tany iny.
Raw

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS