Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 02h57
 

Malagasy

Antsirabe faharoa • Ambohitsimanova

Lonilony niteraka vono sy hain-trano

vendredi 13 juin 2008 | Princia R.

Olona telo tsy nahatsiaro tena, ny trano may : io no vokatrin’ny lonilonim-pianakaviana niseho tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny commune ambanivohitr’Ambohitsimanova anatin’ny distrikan’Antsirabe faharoa.

Asa ity nahazo ity raim-pianakaviana iray tao Ambohitsimanova fantatra amin’ny anaram-bositra hoe « Naivokaratra » fa nila vaniny tamin’ny fianakavian’ny rahalahiny iray tampo aminy ka niafara tamin’ny fandorana trano. Ny harivan’ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora teo ho eo dia tonga tao antokantranon’ny rahalahiny ity farany, navoakany tao an-trano ilay rahalahiny satria kilemaina, rehefa izany dia niverina tao an-trano izy ka nodarohiny tamin’ny langilangy ny vinanton’ilay rahalahiny ka nianjera sy tsy nahatsiaro tena, avy eo norarafany tamin’ny vono isan-karazany indray ny zaobaviny izany hoe vadin’ilay rahalahiny manana kilema ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia notaritiny tany antanimbary saika hoarotsany tao anaty fotaka. Nahita izany ny zanaka vavin’ilay ramatoa ka andeha hamonjy ny reniny notatazany tamin’ny vono ihany koa, rehefa hitany fa tsy nahatsiaro tena izy telo mianaka dia niverina tao an-tokantrano izy ka nodorany ny trano. Ilay vinantolahy mbola tavela tao an-trano dia nosintomin’ny fokonolona ka afa-doza tamin’ny afo. Ora 6 taty aoriana vao nahatsiaro tena ilay lehilahy ary izy mirahavavy mianaka kosa dia tsaboina eto amin’ny hopitaly be Antsirabe amin’izao fotoana izao, INaivokaratra kosa dia eo ampikarohana azy ny zandary fa tsy hita izay nalehany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS