Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Culturel

Revalorisation de la langue nationale

Les rapports officiels des gouvernants en malgache

jeudi 28 février 2019 | Arena R.

 

Un effort louable a été effectué au sein des gouvernants actuels en matière de respect de la langue nationale dont on vient de célébrer le 21 février dernier. En effet, tous les rapports et communiqués de l’Etat malgache, notamment depuis hier se font en malgache. C’est le cas notamment d’une lettre envoyée par le Président, Andry Rajoelina, au gouvernement et à ses membres par rapport à la journée de reboisement national qui aura lieu le 2 mars prochain, et le rapport du conseil des ministres tenu au palais d’Iavoloha jeudi.

Cette nouvelle disposition devrait faire jubiler les puristes qui ont toujours exigé le respect et la valorisation de la langue maternelle, tout comme ceux qui sont las des fautes d’orthographes et de grammaires répétitives dans les communiqués et rapports en français, dus certainement à la non-maîtrise de la langue de Molière.

Malgré tout, cela laisse perplexe plus d’un, sur la portée de ce changement, car l’on doute fort que cela puisse aller jusqu’au retour de la malgachisation de l’éducation nationale. D’autant plus que le malgache est encore loin d’être riche en vocabulaire et termes techniques. Et cela a été constaté dans le rapport du conseil des ministres d’hier qui manque de naturel, car des efforts très particuliers ont dû être réalisés pour traduire mot par mot certains termes.

Faut-il rappeler que la Constitution encore en vigueur sur le sol malgache indique entre autres dans son article 4 que « La langue nationale est le malagasy » et que « les langues officielles sont le malagasy et le français ». Autrement dit, pour être naturel et éviter toute ambigüité par rapport à des termes techniques, certains recommandent encore de garder les deux langues dans les communiqués et lettres officielles de garder les deux langues, cela n’empêcherait pas la revalorisation de la langue nationale.

20 commentaires

Vos commentaires

  • 28 février 2019 à 09:42 | Vohitra (#7654)

    Miarahaba Tompoko,

    Mahavelombolo sy amim-pahamendrehana tokoa ny hanaovana ny hafatra sy tatitra izay ataon ’ny mpitondra ka tian`izy ireo hiantefa any anivon ’ny vahoaka ifotony.

    Ny tiana hisarihana ny saina sy ny eritreritry ny maro dia ity : mitovy sy sahala ve ny antsointsika hoe « teny Malagasy ofisialy » sy ny hoe « tenim-pirenena Malagasy » ?

    Manankasina sy velona ny teny, ary tokony hisy fivoarana mirazotra amin’ny fiovan’ny zavamisy atrehin’ny mpiarabelona manome aina azy, indrindra eo amin’ny fampivelarana ny voambolana hahafahana maneho ny fivoaran’ny haitao.

    Mankasitraka Tompoko

    • 28 février 2019 à 11:18 | betoko (#413) répond à Vohitra

      Dia ataivy tenu malagasy daholo art NY lalana s’y NY faloiabarana azy ,toy izany ihany koa ny eny amin’ny « Faculté de médecine » Tsy mbola misy tenu malagasy mahasolo azy raha NY fampianarana an’ireo voalazako ireo

    • 28 février 2019 à 11:36 | Maxim (#5960) répond à Vohitra

      Betoko,

      Azo fehezina toy izao ny ahiahinao : Andrianiko ny teniko ny an’ny hafa koa feheziko.
      Tsy midika izany filamatra zany fa avadika amin’ny teny malagasy daholo ny fampianarana.
      Ka izay toetsaina izay no tokony ampitana hoan’ireo taranaka.

    • 28 février 2019 à 11:38 | Vohitra (#7654) répond à Vohitra

      O ry Betoko a, teny swahili sa inona ity soratanao ity e ?

  • 28 février 2019 à 11:12 | vorona (#8254)

    Problème : pas ou peu de moyen pour imprimer ou faire imprimer des livres surtout techniques.
    Internet serait il grâce à sa diffusion auprès d’un nombre de plus en plus grand de malgache le sauveur probable du malagasy ?

  • 28 février 2019 à 11:25 | Eloim (#8244)

    Hitako fa tena zava-dehibe tokoa ny fampiasana ny teny malagasy raha ampita zavatra @ samy malagasy. Momba ireo teny izay mbola olana be ny fahitana ny dikanteny malagasy kosa dia tsara raha avy dia hagasiana @ ny famaky azy dia mino aho fa haingana dia azon’ny olona izany noho ireo voambolana izay teny malagasy ihany nefa saro-takarina ny heviny.
    Aoka ary homena vahana ny akademisiana malagasy handrafitra haingana ny voambolana malagasy @ reny teny teknika tsy mbola hita ireny.
    Izao fiovana voizin’ny fanjakana izao dia mariky ny fitiavan-tanindrazana. Mino aho fa atsy ho atsy dia ny teny malagasy madio no teny enti-mampianatra hany ka haingana ny fahazoan-javatra @ zany, toy ny ataon’ireo firenena rehetra mandroso eran-tany.

  • 28 février 2019 à 11:37 | Tsisdinika (#3548)

    Mankasitraka ny fitondram-panjakana nampiasa ny teny Malagasy tamin’ity indray mitoraka ity. Efa atao am-bava ihany ireny tatitra momba ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ireny ao amin’ny vaovao an-tsarin’ny TVM nefa ilaina ny mampitoetra ireny an-tsoratra toa izao. Tohizo fa tsara.

    Disoiko tanteraka ilay hoe tsy ampy voambolana tekinika ny teny Malagasy. Ianao mampiasa azy no tsy mahafantatra sady tsy te hahafantatra ny voambolana efa noforonina hatramin’izay dia lazainao fa ny teny no tsy hary fomba.

  • 28 février 2019 à 12:41 | Behantra (#9165)

    Kay ve swahili zany i betoko e

    Amin’i teny gasy zany dia manjary hoe betaiko ??? (lol)

  • 28 février 2019 à 13:24 | Turping (#1235)

    Maxim ,
    « Andrianiko ny tenin-drazako ,ny an’ny hafa koa feheziko » .Tsara be !
    - Ny tena olana goavana dia betsaka no manao vary amin’anana ny fitenenena sady tsy malgasy no tsy vahiny .
    - Mazava anefa fa ny fifehezana ny tenin-drazana no lohan-karena voalohany hanajana ny loharano nipoirana ,ny kolon-tsaina izay miorina eo anivon’ny soa-toavina ;ny fihavanana ,...
    - Ny tenin’ny vahiny anefa rehefa misy diso ny fanoratana azy dia hitsiana fa ny antsika atao tsirambina .
    Izany akory tsy midika fa tsy fehezina koa ny an’ny hafa izay ho mariky ny fivoarana sy fivelarana ara-tsaina ,.

  • 28 février 2019 à 17:20 | reviv (#9830)

    teny gasy ( sa malagasy ) indray zany (sa izany ?) no tena izy.
    Ka inona moa no maharatsy an’izany, tsara anié zany rehefa tsy vary amin’anana na koa vary sy akotry hoy koa ny sasany sy ankilany.

    fa izao ihany, ny miverod’ela, na manodina
    rrrr an-dela rehefa miresaka, na koa manao badalela hoy zahay avy any atsimo.
    Ka io ve no fomba fiteny vaovao ankehitriny manara-penitra ?

    alefaso ka velezo mafy leretsy, ny velirano mba hohitan-tsika

    fa ity misy fanontaniana kely mba tiako (sa tiko ?) apetraka :
    aiza hoaiza zao ny fampidirana ny teny mparitra ?
    Ohatra iray ihany atolotro eto ;

    rehefa naheno izahay hoe mamely mafy ny kitrotro de tsy « kopy » ny aty satria fanompoa no filazanay an’io karazan’aretina toa itony.

    Ohatra iray koa de,
    Ny fomba fanomezana anara-javatra tahakan’ireto vitsivitsy :
    Ny akondro= kida= fintsa......
    Mangahazo= balahazo= mahogo...
    Katsaka= tsako=...
    Vomanga= bagera= belé....
    Tanalahy = sangorikita =...
    etsetra...etsetra...
    Itadiavana hevitra hampidirina an’ireo sy hampahafantarina na koa hampalalana ny vahoaka eran’ny nosy.

    Maro ( na betsaka) fa aleko taperiko eto fa amin’ny manarak’indray mihaona.( sabotsy mifankahita, na koa an- drova mifankahita hoy ny tambanivolo ).

    • 28 février 2019 à 18:47 | Vohitra (#7654) répond à reviv

      Mahafinaritra tokoa ny fahatsorana sy fizaran-kevitra asehonao. Mazotoa ary e !

    • 28 février 2019 à 21:04 | lysnorine (#9752) répond à reviv

      « aiza hoaiza zao ny fampidirana ny teny mparitra ? »

      Tsy tambo isaina ny efa voasoratra momba izany hoe « tenim-paritra » izany dia ny fiteny MALAGASY fampiasa IVELAN’ IMERINA ao amin’ny « A New MALAGASY - English Dictionary » by the Rev. J. RICHARDSON, 1885, ka marihiny amin’ny hoe « (Prov.) » na ny anaran’ny foko mampiasa azy

      Ohatra amin’ilay hoe :

      . « AKONDRO » : ’’same as ONTSY (Sak.) na OTSY (Bets.) ».
      Ny ’’ KIDA’’ dia ’’Bananas , PLAINTAINS (Prov.) ’’ , ary ny ’’FINTSA’’ dia ’’a MODE of PREPARING bananas by drying ; DRIED bananas’’ izay fampiasa eran’i Madagasikara [Akondro masaka vakina sy ahahy ho maina hoy ny Rakibolana-Rajemison]

      . « MANGAHAZO » : ’’same as KAJAHA (Bets.), BELAFANAPAKA (Sak.), MAHOGO (Prov.) MBAZAHA (Betsim.) and BALAHAZO (Bets.)

      . KATSAKA : ’’same as TSAKO (Sak.), and TSAKOTSAKO (Bets.)

      . VOMANGA (’’sweet potato’’ amin’ny teny Angilisy). same as MBIZO (Bets.), VIHAZO(Bets.), BELE* (Bets. and Sak.), OVIHAZO (Bets.), ANANTARAONA (Antsih.), and TSIMANGA (Prov.)
      * BELE or BELENA

      Ny TANA dia « manana anarana maromaro arakaraka ny maha-tanora na zokinjokiny azy » hoy Rajemison :
      SOAMARANDRANA : ’’a small species of chameleon’’ (Richardson)
      KAMORA : ’’a species of chameleon same as SOAMARANDRANA
      KAMAITSO : ’’same as KAITSO, the female chameleon while yet of a green colour’’
      KAMARABE : same as KAMARA , a grizzle-coloured female chameleon,i.e. one on the point of laying eggs.

      .Momba ny « kitrotro » dia tsy nahita RAKIBOLANA izahay milaza fa tsy fampiasa eran’i Madagasikara io teny io ka ilay teny hoe « fanompoa » ohatra no fampiasa ny foko sasany any atsimo. Torak’izany koa ny hoe « sangorikita » no fiantso ny tanalahy.

    • 1er mars 2019 à 15:10 | Jo Brandon (#9919) répond à reviv

      Reviv a !

      Fa taiza ary ianao tamin’ny ora nidona ? Efa nampianarina hatramin’izay anie ny tenim-paritra sy ny hoe fomba hampiasàna azy e :
      1- ny voambolana dia alaina hameno ny dikan-teny. Ny teny rehetra eto Madagasikara manko dia manana fototra iray ihany. Izany hoe, raha mamoaka rakibolana Malagasy - Malagasy isika dia ahitana an’izao ohatra : akondro = kida, ...sns ... Tandremo fa ny fitsa ( fa tsy fintsa izay zavatra hafa ) dia tsy akondro tsotra fa akondro maina.
      2- amin’ny ankapobeny dia tsy manana fitsipi-pitenenana ny tenim-paritra. Teny itenenana ny ankamaroany fa tsy soratana manaraka fitsika.

      Anjarantsika ny mamorona ny teny teknika. Ohatra : finday, harin-karena, ...sns ... Ary mbola anjarantsilka ny mampianatra ny tenintsika. Ny Firenena nandroso rehetra dia nampianatra ny olona ao aminy amin’ny fitenin-drazany. Ny sinoa sy Japoney dia tsy nisy nilaza hoe : ahoana ny amin’ny teny teknika fa toa tsy manana isika, ka tsy aleo ampianarina amin’ny teny hafa ny olona ?

  • 28 février 2019 à 19:13 | reviv (#9830)

    misaotra ary mahavelo bevata amin’ny fampazotoana.

    mankasitraka sy makantelina

  • 28 février 2019 à 19:30 | lysnorine (#9752)

    Re : « Cette nouvelle disposition devrait faire jubiler les PURISTES (?) qui ont toujours exigé le respect et la valorisation de la langue maternelle »

    NB. puriste (n.m.)
    1.partisan du purisme, du respect strict des règles, en particulier GRAMMATICALES.
    synonymes : GRAMMAIRIEN , rigoriste,
    http://dictionnaire.sensagent.leparisien.fr/PURISTE/fr-fr/

    Ny frantsay, tenin-drazan’ny Frantsay, aza mila AROVANA mafy dia mafy ankehitriny fa misy mamono azy ankitsirano izao, hoy ny fikambanana maro miaro azy, koa nahoana kosa aza ny tompon-tany Malagasy sy ny mpitondra Malagasy no tsy hiaro ny teny Malagasy tenin-drazany (fa tsy izany hoe « tenin-dreny » izany, dikan-teny be fahatany, sady mampihomehy, ara-bakiteny, ny fitenin’ny vahiny, fahita amin’ny gazety), sy ny FAMPIASANA AZY manerana ny tany sy fanjakana, indrindra amin’ny FAMPIANARANA sy ny FAMPITANA FAHALALANA amin’ny VALALABEMANDRY ?

    « Langue française : ÉTAT D’URGENCE, par un collectif d’associations »
    https://www.lemonde.fr/idees/article/2009/12/07/langue-francaise-etat-d-urgence-par-un-collectif-d-associations_1277289_3232.html

    « Langue de la République » (art. II de la Constitution), le français est une CONDITION du VIVRE-ENSEMBLE NATIONAL et républicain, et, selon les sondages récents, il est pour 80 % de nos concitoyens UN DES PRINCIPAUX PILIERS de l’« IDENTITÉ NATIONALE ». Or, le français est ...gravement menacé chez nous..

    « L’heure est donc venue d’appeler TOUS LES CITOYENS à la RÉSISTANCE LINGUISTIQUE...

    « On ne voit que trop QUI SERT CETTE POLITIQUE D’ANÉANTISSEMENT LINGUISTIQUE sous son emballage pseudo-moderne : elle sert cette « ÉLITE » et ces PRIVILÉGIÉS qui, pas seulement à droite, N’HÉSITENT PAS À DÉSINTÉGRER LEUR LANGUE MATERNELLE POUR MIEUX intégrer l’élite mondialisée et RESSEMBLER À LEURS MAÎTRES ! Les « gens de peu », pour leur part, sont voués à une discrimination linguistique plus forte que jamais…

    « ...nous exigeons un grand DÉBAT NATIONAL sur la place respective du français et des autres langues, pour que l’ASSASSINAT LINGUISTIQUE PLANIFIÉ ne puisse s’accomplir en silence et pour que PEUPLE SOUVERAIN SE SAISISSE DE LA DFENSE DE SA LANGUE ...

    « La DÉFENSE de notre HÉRITAGE linguistique implique une PROTECTION et une PROMOTION ACTIVES de la langue française, de la diversité linguistique et de la francophonie, sur notre continent et dans le monde. Parlons ici seulement de ce qu’il faut pour REVENIR AU BON SENS : à l’ÉCOLE ÉLÉMENTAIRE OU AU COLLÈGE , ASSEOIR D’ABORD UN SOLIDE APPRENTISSAGE DES LANGUES NATIONALES en Europe, puis commencer celui de deux langues étrangères dont la première, selon la recommandation du professeur Hagège, serait autre que l’anglais ; réaffirmer le français comme LANGUE DE L’ENSEIGNEMENT SUPÉRIEUR* ; lui rendre droit de cité dans la recherche ; faire respecter par Bruxelles sa propre législation linguistique...

    « en MARGINALISANT SA LANGUE, c’est le PEUPLE qu’en définitive on voudrait DÉLOGER DE SES RÊVES...

    « CINQ SIÈCLES APRÈS Joachim du BELLAY appelant à la « DÉFENSE et [l’]illustration » du français, FAISONS VIVRE NOTRE LANGUE et défendons-la contre la logique barbare de l’argent roi.

    Signataires :
    Alliance Champlain,
    Association francophonie avenir (Afrav),
    Association pour la sauvegarde et l’expansion de la langue française (Asselaf),
    Avenir de la langue française (ALF),
    Cercle littéraire des écrivains cheminots (CLEC),
    CO.U.R.R.I.E.L.,
    Défense de la langue française Paris-Ile-de-France (DLF Paris-IDF),
    Forum francophone international France (FFI France),
    Le droit de comprendre (DDC),
    Le français en partage,
    Gerflint.

    *Be dia be angamba ny tsy mahafantatra fa EFA TALOHA ELAN’ny nanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara niantomboka tamin’ny Ôktôbra 1895 no namoaka DOKOTERA maromaro ny Sekoly ambony fampianarana azy, ary tamin’ny teny Malagasy. Nadika tamin’ny teny malagasy ny Boky fampianarana tamin’ny teny Angilisy. Asa raha azon’ny Fanjakana karohina ireo boky ireo ? Hôpitaly Malagasy, fitsaboana ny Malagasy,I naorin’ny FFMA [Friends Foreign Mission Association, Rev.William JOHNSON] tamin’ny tany nomen-dRanavalona faha-3 ny hôpitaly miaramila etsy Soavinandriana (Hôpital colonial, dia Girard et Robic taloha), nalain’I GALLIÉNI an-keriny. Momba ny FFMA na Quakers sy ny asa vitany teto Madagasikara, zahao ‘’Quakers in Madagascar’’
    http://www.quakersintheworld.org/quakers-in-action/306/Quakers-in-Madagascar-

  • 1er mars 2019 à 00:00 | reviv (#9830)

    lysnorine
    " BELE* (Bets. and Sak.), OVIHAZO (Bets.), ANANTARAONA (Antsih.), and TSIMANGA (Prov.)
    * BELE or BELENA "

    - ekena,
    aza hadino fa bageda na bele no fiantsonay ny vomanga, diso mantsy ny fanoratako azy etsy ambony.

    Maro ny fomba fahandrahoana an’io atao sakafo.
    1) azo atao sakafo maraina na koa mitendry hoy ny filazanay ny sakafo maraina.
    tsotra de tsotra ny fahandrahoana an’io, arotsaka anaty vilany asina rano kely fotsiny, folo minitra de masaka ( cuisson vapeur ), hoanina miaraka a ronono velona .......

    2) na koa ketrehina a lavenoka mafana na hoe tonaka no filazanay azy ( four a teny vazah )
    de tena matsiro be.

    3) azo atao sakafo hariva koa izy Io, de robaroba na koba no fiantsonay azy. ( la soupe a vazah)

    4) azo tahirizina koa ny bele tahaka ny mangahazo maina ary antsoina hoe pike, andrahoina afangaro ronono.

    etsetra...etsetra...

  • 1er mars 2019 à 15:38 | Jo Brandon (#9919)

    Mankasitraka ny Fiadidiana ny Repoblika nampiasa ny teny Malagasy tamin’ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra.
    Saingy tandremo fa misy tsipelina diso tao.

  • 4 mars 2019 à 21:16 | fandresena (#299)

    Tsara izany kah ; Fa tsy azoko hoe nahoana raha notazonina ny MAP na ilay Manifeste e ! Iny no fandaharana tsara indrindra hampandroso ny Malagasy. Tsy mahamenatra anie ny Mandray ireny raha tena tia Tanindrazana e !

  • 4 mars 2019 à 21:17 | fandresena (#299)

    Tsara izany kah ; Fa tsy azoko hoe nahoana raha notazonina ny MAP na ilay Manifeste e ! Iny no fandaharana tsara indrindra hampandroso ny Malagasy. Tsy mahamenatra anie ny Mandray ireny raha tena tia Tanindrazana e !

  • 8 mars 2019 à 11:23 | Ibalitakely (#9342)

    Izaho tsy dia mahay manoratra na teny inona na teny inona, fa ny kely fantatro aloha dia NY TENY MIAINA izany hoe mety misy FIOVANA araka ny FOTOANA izany. Ka eto aho dia milaza ny hoe ireo teny vahiny vaovao, teknika ny ankamaroany, dia TOKONY ampidirina ao @ FITENY MALAGASY. Fa na ny firenena vaventy & efa lasa lavitra aza anie ka TSY MITSAHA-MAMPIDITRA teny vaovao avy amin’ny tenin’ny firenen-kafa HATRAMIN’IZAO E ! , raha tsy iresaka hafa tsy ny teny infôrmatika ohatra. Ny teny hoe ELECTRONIQUE aza dia MITOVITOVY amin’izany daholo ny nandikana azy [frantsay-angilisy-rosiana sns], ny transistor ihany koa sns. Itsika no miseho indraidray ho tsy mila an’izany dia LASA MITENITENY FOANA, ohatra ny hoe solosaina : tsy hahasolo ny sain’olombelona rahoviana ny aordinatera fa MANAMPY BETSAKA FOTSINY na amin’ny fitadidiana na amin’ny akingana isakarazany. Tsy androso rahoviana raha mihambo tsy feno eto. Teny atsipy any amin’izay naharay azy ihany ny ahy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS