Vita ny fety, afa-boly ny rehetra. Samy niaina tao anatin’ny fety ny vahoaka malagasy rehetra, ary samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay.
Nahavory vahoaka ny fialam-boly rehetra, ary hita fa tena nifaly ny isam-batan’olona. Midika io fa mila miala voly ny rehetra rehefa reraky ny adin-tsaina isan’andro vaky izao. Lany ny vola ho an’ireo nandray vola mialoha, satria ny fety tsy azo atao ambanin-javatra. Ny sakafo ihany koa tsy atao latsa-danja. Vita iny ny fety fa hanao ahoana indray ny anio sy ny ampitso ?
Hiatrika ny adidy maro isan-karazany ny Malagasy.
Miverina daholo ny adin-tsaina isan-karazany. Ny tambesatry ny vidim-piainana tsy azo ialàna. Làlam-piainana io, fa dia atrehana am-pilaminana hoy ny hafa, satria tsy fahafirin’ny efa niainana izany.
Ho an’ireo tsy mba manan-kantenaina kosa dia ny hatsembohan’ny tava anio no hinanana, na dia zara fa mahita harapaka aza. Na ny fetin’ny Paka nandalo aza tsy mba niainana toy ny hafa, fa fahoriana lava no iainana. Mba nanantena fiovàna ho amin’ny tsara, saingy toa vao mainka miha-mangidy andro aman’alina ilay masoandro nantenaina hiposaka. Ny hafa lany vola tamin’ny fety, fa izy ireo kosa ny any fofon’izany vola izany aza tsy nandalo ny paosiny.
Hatreto dia mbola mifanalavitra hatrany ny fiainan’ny manan-katao sy ny ory. Hatramin’ny hoviana anefa no tsy hisy intsony izay elanelana izay ? Miankina amin’ny tsirairay sa ny mpitondra fanjakana ?