Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 10h57
 

Teny zato, kabary arivo

Lany tao Irak ny vola ?

samedi 8 novembre 2008 | Naivo kely

Antony nahatonga ny krizy ara-bola eran-tany ny fandaniana momba ny fanaovan-trano tany amin’ireo firenena matanjaka, ka tsy voaverina amin’ny laoniny avy eo. Io no fanazavana entin’ny mpahay toe-karena any ivelany hilazana ny fahavoazana mianjady amin’ireo banky any ivelany. Voa mafy I Etazonia, ka niitatra any amin’ny firenen-kafa.

Ny tsy azo odian-tsy hita ihany koa anefa, dia isan’ny naha-banky ropitra ny firenena matanjaka ny ady atao ao Irak sy ny filazana ho fampandrian-tany any Afghanistan. Vola miliara dolara isan’andro no atobaka any an’ady. Tsy vitsy ireo filazam-baovao any ivelany no milaza fa lany tao Irak ny vola ? Raha atao tokoa ny kajikajy isan-karazany nandritra izay taona maro nanombohan’ny ady tatsy Irak izay, dia azo vinaniana, fa hopitaly sy trano fianarana isaky ny fokotany taty Afrika manontolo no vita. Maro ireo krizy ara-tsakafo voafafa, ary mety ho efa namirampiratra ny firenena madinika raha nentina namonjena ireo firenena tra-pahavoazana izany vola be izany. Ny zava-misy anefa ankehitriny, dia faty olona rotiky ny bala sy baomba no hita. Ra maro no latsaka, ary tsy nisy tafaverina nijoro ireo fananana potika. Aman’arivony ny miaramila Amerikana maty, ary ny avy amin’ny notafihana tsy lazaina intsony. Isan’ny tanjon’ingahy Obama amin’izy mitondra izao ny hampody ireo miaramila Amerikana hody any aminy mandritra ny 16 volana. Ho vitany ve anefa izany ? Raha milamina ny ady, dia izay vao ho azo antoka fa ho voavaha ity krizy lehibe any ivelany ity. Sahia manao dingana lehibe e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS