Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 11h23
 

Malagasy

Polisy tratra nanotra

Lany daty ny tsy maty manota

mercredi 10 décembre 2008 | Vanessa Zafimahova

Polisy iray, efa daozidaozy, no tonga tao amin’ny trano fivahiniana sy fisakafoanana iray eo ampitan’ny lapan’ny tanàna ka nilaza fa hanao “contrôle”. Tsy niala moa ireo tao fa dia navelany tsara ilay polisy hanao ny asany. Rehefa vita ny nataony dia mbola tsy nandeha ranamana fa niandriandry teo, ary notoloran’ny tompon-trano “coca”. Avy nisotro izy dia nila vaniny indray ary nilaza fa ny kaomisera santraly no naniraka azy haka vola amin’ireto tompon-trano. Gaga sy talanjona ny tompon-trano ary vetivety dia nitangorona ny olona. Avy tao ny polisy hafa nijery ny zava-nisy, ary nisambotra ity namany nanao fihetsika hafahafa. Nomena ny kaomisaria santraly moa izy satria ireo no voantonontonona tao, ka tsy niandry fa avy hatrany dia nandray fepetra ny lehibeny. Heno fa natao “garde à vue” nandritra ny 48 ora izy io tao amin’ny tranomaizin’ny polisy ihany, ary nanaovana fangataham-panazavana. Hisy ny fepetra famaizana horaisina, hoy ihany ny lehibeny.

Saonjo iray lohasaha marina ka tsy ilaozan’izay hamarara. Efa nisy mantsy ny ezaka natao tatoato hanatsarana ny asa eo anivon’ny polisim-pirenena. Anatin’izany ny nanoloana ireo polisy miahy ny fifamoivoizana. Fa ny loza dia filao mantsina an-dakana ka manamaimbo ny namany, ity polisy nanotra ity. Namerina indray ny ahiahy eo anivon’ny mponina amin’ny asa sahanin’ny polisy saingy ny fahitana fa nandray andraikitra sy nanafay ny nanao ny tsy mety ireo lehibeny dia efa milaza sahady fa efa manomboka lany daty ny “tsy maty manota”.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS