Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Lany andro tamin’ny fivoriana

vendredi 4 avril 2008 |  597 visites  | Naivo kely

Be fihevitra fa sarotra tontosaina. Io no azo hitsikerana ny fivoriana izay mateti-pitranga teto Madagasikara. Asa na ny ilay finihavana no tsy ampy na sarotra tontosaina ilay fiketrehana natao. Raisina amin’io ilay tetika politika notontosain’ny antoko iray teto Madagasikara. Antoko maro no nandray anjara tamin’io tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina. Aiza ho aiza izao ilay vokatry ny fivoriana natao iny, raha ity sehatra ity no jerena ?

Nisy indray ny fampiofanana mpitondra fanjakana ambony natao tany ivelany. Volam-panjakana maro no lany tamin’izay. Mandeha amin’ny laonina ve ny asa fampandrosoana taorian’io ? Fahaiza-mitantanana no natao, saingy ny hafa aza volana vitsy taorian’ny fiofanana dia nesorina tamin’ny toerany. Natao ny fivoriana lehibe ho amin’ny fahaiza-mitarika. Miandry ny vokany isika rehetra. Teo ihany koa ny fivorian’ny sefom-pokontany, ny vahoaka no afaka hitsara azy ireo izay ahitana fimenomenomana maro ny fanamparam-pahefana ataon’ny sasany eny anivon’ny fokontany.

Toa lany andro tamin’ny fivoriana isika fa ny fampiharana azy toa tsy miantraika firy eny anivon’ny fiaraha-monina. Izay no ilana lamina maty paika entina manarina an’i Madagasikara, fa tsy hiova hevitra isaky ny mihetsika eto isika mianakavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS