Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 19h36
 

Teny zato, kabary arivo

Lany andro miofana

mardi 15 juillet 2008 |  557 visites  | Naivo kely

Saika isan’andro no handrenesana ity resaka fiofana etsy sy eroa ity. Ny tena matetika ahitana azy io dia ny eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Miditra amin’io sehatry ny fiofanana io mpadraharaha sy ny mpitantanana asam-panjakana maro eto amin’ny nosy. Tsy misy maha-ratsy izany, saingy maro no mametram-panontaniana hoe, sao lany andro amin’ity fiofanana ity isika ? Roa andro na telo andro ve ahavitana ny tena asa fampandrosoana eny anivon’ny fiaraha-monina ? Aleo aloha misy toy izay tsy misy, hoy indray ny hafa.

Nandritra ny taona maro izay, dia mibahan-toerana tao amin’ny maro ity atrik’asa etsy sy eroa ity. Manantena fiovana maro ny mpitazana taorian’izany, saingy toa ny eo ihany no eo. Tsy vitsy no nilaza, fa natao handaniam-bola fotsiny itony endrim-piofanana itony. Inona no andraikitra nentin’ireny olona lazaina fa tsara fiofanana ireny eny anivon’ny fiaraha-monina ? Hambara ho fotoan’ny asa izao, nefa mbola maro no miofana. Natao ho ren-tany ren-danitra ny fiofanana azon’ny sefom-pokontany. Mby aiza ny asa nosahanin’ireny amin’izao fotoana izao ? Toa tsy hita taratra intsony ny tohin’ny asa mivaingana vita, ka mahatonga ny maro hanamafy, fa vola very maina no nampiasaina ireny. Ahiahy tsy ihavanana tsy azo amaivanina ireny re mivoaka ny vavan’ny maro ireny, ka anjarantsika no misaina izany. Ireo sekoly fiofanana maro eto amintsika aloha hatreto, dia tsy heno firy intsony, fa ny eny Iavoloha no toa lasa sekolim-piofanana, satria hita manao izany eny avokoa ny hery rehetra eto amin-tsika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS