Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h28
 

Malagasy

Ben’ny tanàna Talatamaty

Lalaovin’ny mpanao politika i Andry TGV

mardi 23 septembre 2008 | Naivo kely

Misy mitady hanapotika i Andry Rajoelina sy ny fanjakana. Mila mitandrina sao hiverina ny tamin’ny taona 2002. Io no fanazavana nentin’ny ben’ny tanana ao amin’ny kaominina Talatamaty tao amin’ny Aceem radio ny alahady lasa teo.

Tsapa fa miditra lalina amin’ny fanosehana an’i Andry Rajoelina any amin’ny tsy izy ny mpanao politika sasany. Tsy ho gaga isika raha nitatra be toy izao ny raharaha momba ity tananan’Antananarivo ity. Tokony avela hiasa malalaka ny ben’ny tanana, ary izay vonona ny hampandroso dia mila tohanana, satria tsy misy mpitondra natao hijanona mandram-pahafaty eo amin’ny toerana.

Momba ny mpanohitra kosa indray, dia nilaza Rado Razafindratsimba ben’ny tanana ao Talatamaty, fa tokony hisy ny fifanajana eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra. Ilaina ny mihaino ny feon’izy ireo, satria tsy izay mpanohitra dia ho ratsy avokoa. Tokony hisy sehatra iray hikarakara ny fifampidinihana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Raha toa kosa anefa mikiry ny hanongam-panjakana hatrany ny mpanohitra, dia rariny raha manakatona varavarana amin’izy ireo ny fanjakana. Ny fifandimbiasam-pahefana, dia tokony ho ao anaty filaminana, satria zava-doza ho an’ny firenena ny korontana lava.

Notsipihiny fa raha niongana ny amiraly Ratsiraka tamin’ireny taona 2002 ireny, dia vokatry ny fampitana vaovao diso tany amin’ity filoha teo aloha ity. Mety hitranga izany raha tsy mitandrina ny filoha Ravalomanana, satria tsapa fa misy io fampitana vaovao diso amin’izao fitondrana izao.

Nidera ny ezaka ataon’ny ben’ny tanana eto an-drenivohitra ity ben’ny tanana ao Talatamaty ity, ary nambarany fa iza no mahita raha io no mety handimby ny filoha Ravalomanana any aorioana any. Tsara ny milaza, fa voafidy tamin’ny anarain’ny TIM ny dokotera Rado Razafindratsira ity, ary mankasitraka ny ezaka ataon’ny fitondrana ankehitriny. Tsapa hoy izy fa miarin-doha ny toe-karena, ary izay no maha-mailo azy ny hanalavirana ny korontana eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS