Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 23 septembre 2021
Antananarivo | 00h54
 

Tribune libre

Kongresin’ny Tetezamita

Lahatenin’ny filoha Raharinaivo Andrianantoandro nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana

mercredi 27 juillet 2011

Andriamatoa Filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny Tetezamita sy ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitra ;

Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta sy ianareo mpikambana ao amin’ny Governemanta ;

Andriamatoa Filoha, sy ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ;

Andriamatoa Filoha, sy ireo mpikambana ao amin’ny Komitim-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana “CENI” ;

Andriamatoa Filoha sy ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra ambony momba ny fiarovam-pirenena ;

Isika Birao maharitra sy ireo mpikambana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ;

Ianareo olo-manan-kaja, sivily sy miaramila manatrika etoana ;

Tompokolahy sy Tompokovavy.

“Mifanatrika tsy mifanatsafa, hono, tsy mety ary ny mihaona tsy mifampiarahaba tsy fahalalam-pomba”. Koa arosonay ny arahaba ombam-pirarian-tsoa ho anareo vahiny manatrika etoana ary indrindra koa isika mpikambana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita.

Tafahaona eto indray isika rehefa avy nifandao fotoana fohy. Fohy kanefa, fohy nisehoan-java-maro.

Araka ny didy hitsivolana laharana 2011- 407 mampiantso fotoam-pivoriana tsy ara-potoana eto amin’ny kongresin’ny tetezamita dia, anio alatsinainy 25 jolay 2011 no hanokafantsika amim-pomba ofisialy izany Fivoriana izany.

Araka io didy hitsivolana io ihany dia laharam-pahamehana mandritra izao fotoam-pivoriana izao ny fandinihana ireo volavolan-dalàna mahakasika ny fifidianana kaominaly sy amin’ny faritra. Ny fanohizana ny fandinihana ireo volavolan-dalàna mahakasika ny fifidianana moa handeha eo ihany.

Misy fanontaniana mipetraka ihany anefa hoe : dia ahoana izany ny mahakasika ny sata mifehy ny Antoko politika, ny satan’ny mpanohitra satria tsy ary hitovy hevitra daholo ny maro, ary indrindra indrindra ny Lalàn’ny famotsoran-keloka, izay tokony ialohavan’ny fibebahana. Nefa samy resy lahatra ny rehetra fa fepetra mitondra fahatoniana sy famahana ny krizy ireo, ary tokony ho vitaina mialohan’ny izay fifidianana ho avy. Sa mbola hisy fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana hafa indray atsy ho atsy ?

Efa miresaka fifidianana izay ihany dia araraotina etoana ny manipy tsirin-kevitra mahakasika izany. Fanirian’ny rehetra moa ny mba hisian’ny fifidianana tsara homana sy lavorary. Ka tsara raha manampy ny CENI ireo sehatra iraisam-pirenena ary iangaviana mihintsy aza izy ireo mba tsy hisian’ny ahiahy indray any aoriana.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Raha atao indray mitopy maso ny zava-nisy nandritra izay fotoana nisarahantsika teto izay dia « miharihary tahaka ny tafika andrefan-tanàna » ny fisian’ireo lafin-javatra vitsivitsy nafampana teto an-dapa sy hatrany ivelany mihitsy aza.

Anisan’izany izay mahakasika ny « Immunité parlementaire ». Tsy azo hadinoina anefa ilay asan-jiolahy mitam-basy nandrobana ny vola karaman’ny mpikambana ato amin’ny kongresin’ny tetezamita ireny.

Momba ity asa fandrobana ity aloha dia mahazendana ihany fa isaky ny hanomboka fivoriana izahay ato dia toa misy fisehoan-javatra hafahafaha foana miseho. Iza marina no mahazo tombony amin’izao zavatra hafahafa izao ? Tiana haseho ve fa tsy matotra sy tandrametaka ary kitoatoa mihintsy ity Andrimpanjakana misy anay ity ?

Tsorina etoana anefa fa na eo aza izao sakantsakana rehetra izao dia tsy ho kivy na hiraviravy tanana amin’zany akory izahay ato amin’ny kongresin’ny tetezamita. Hanao ny asanay an-tsakany sy an-davany hatrany izahay ato amin’ity Andrimpanjakana izay tarihiko ity ary ampitomboina hatrany koa ny fahaizamanao.

Momba ny « Immunité parlementaire » dia tianay hotsindriana eto fa hajaina sy ankatoavina izay voalazan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana - HCC. Ataonay ho fampieritreretana ihany nefa izao toe-javatra ambara manaraka izao :

Mitovy lanja sy fomba fampiharana ny lalàna nodinihina sy nolanian’ireo Solombavambahoaka voafidy sy ny Mpikambana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita izay voatendry. Koa nahoana no tsy mba hanana zo mifandraika amin’izany asa izany koa ny ato amin’ny parlemantan’ny tetezamita ?

Tsy midika akory izany teny ambaranay izany fa hoe atao ho fieren’ny jiolahy sanatria ny asa maha mpanao lalàna eto amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ka ireo parlemantera dia hieritreritra fa fialokalofana amin’izay tsy mety atao ato ; na ho tonga hatramin’ny fiheveran-tena ho tsy maty manota. Amafisina ihany fa tsy midika velively hoe tsy maty manota na tsy azo saziana ny “Immunité parlementaire”.

Iaraha-manaiky ary tsy tokony hohadinoina fa ny toe-draharaha manokana dia mila fepetra manokana koa. Nefa izahay mahatsapa fa toa ny Sata sy ny raharahan’ny Kongresin’ny Tetezamita na ny CT irery ihany no voateniteny sy voakitikitika matetika.

Fa iza moa no voafidy amin’izao fotoana ?

Manaraka izany, ny resaka hazo Andramena na ny Bois de Rose :

Re tato ho ato fa hisy fepetra na lalàna manokana hahakasika azy io. Moa tsy efa misy lalàna ve mahakasika izany hatramin’izay ? Ka nahoana no tsy ampiharina fotsiny ? Nahoana re no dia nandrasana efa ho halohalika ny ranom-bary vao andraisana fepetra manokana ? Efa ela ihany io resaka Bois de Rose io no tsapa fa toa somary natao tsinontsinona ; nahoana no tsy nampiharina ny lalàna ?

Mampieritreritra koa hoe tsy efan’ny tontolon’ny fitsarana intsony ve ity raharaha ity fa lasa sehatra politika no amahana azy ankehitriny !

Tsy tokony hisy hiditriditra amin’io raharaha io aminay fa anjaran’ny Fitsarana izany ary asany.

Raha fintinina ity resaka Bois de Rose ity dia navela handeha sy halalaka hatramin’izay, toa “kenda nefa ankehitriny vao dony aho Ranaotra !” Tonga hatrany amin’ny fandraisana fepetra diso tafahoatra.

Ny indro kely aza dia miharihary loatra ny fahamaikana hamadi-bainga mba ho vavolombelon’ny hoe miasa : f’angaha harato madinika no natoraka hatreto ka dia ny pirina sy ny zana-trondro no atao be fandraoka ? Hojerem-potsiny ve izany ny trondro vaventy sy ny haza hafa ?

Ka aoka re samy hanao ny asany amim-pahamendrehana ny rehetra fa tsy mety ny mizàna tsindrian’ila.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Ny CT sy ny CST dia antoka iray amin’ny fahatanterahan’ireo dinika sy fifanarahana maro isan’ambaratongany ary indrindra ny fahatongavana tamin’ny Tondro Zotra. “Sanatria atsipy fotsiny tahaka ny vato natsindry ahazana ve izany dingana rehetra izany ka ny lavenona lasan’ny rano ny lamba lasan’ny tompony ?”

Rehefa voatohintohina manko ireo Andrimpanjakana ireo dia mazava ho azy fa voatohintohina hatramin’ny rehetra. “Ny fotaka mahavoa fe, mahavoa ranjo”. Mifamatotra amin’izany hatramin’ireny zavatra nifanarahana sy natao rango-pohy teny Ivato ireny. Ny fiainam-pirenena sy ny rafi-panjakan’ny Tetezamita mihitsy noho izany no voatohintohina.

Toko tapaka, ny vilany mitongilana : izay tsy mety harenina ! Fanatsarana an’izay efa misy no tokony hatao vaindohan-draharaha fa tsy ny handrava efa na ny fanozongozonana ny efa mijoro. Tsy hisy ahazo tombony amin’ny fampihenan-danja ny zo aman-kasin’ity kongresin’ny Tetezamita ity akory fa ny “handrora miantsilany ka hahavoa tena” aza no mety hisy.

Manarak’izany dia tokony tsy ho foanana ny fitadiavam-bahaolana sy ny dinika eo amin’ny samy Malagasy.

Zary tsapa mantsy ankehitriny fa nomena fahefana izay tsy tokony hananany ary tsy nangatahany ireo mpanelanelana vahiny ireo. Sady mpanelanelana no mpitsara sy mpitsoka “sifflet” izy izao nefa isika Malagasy manana ilay fahendrena hoe : ny tokantrano tsy ahahaka. Nefa ankehitriny toa lasa ny any ivelany no tompon’andraikitra eto amin’ny firenentsika. Raha sanatria anefa misy tsy fahombiazana eo dia isika Malagasy ihany no hizaka ny vokany.

Tsy efa mazava ve moa ny lalan-kalehantsika fa tokony :

Hosoniavina ilay tondrozotra ;

Sokafana ireo rafitra efa nifanarahana toy ny rafitra parlementaire izay efa mijoro ankehitriny sy ny Governemanta ;

Atao avy eo ny fifidianana izay ialohavan’ny fandinihina sy fandaniana ireo lalàna mitondra mankany amin’ny fahatoniana ara-politika.

Valalanina mantsy ny vahoaka ao an-damosintsika ankehitriny ary tsy fantany izay hataony nohon’ny tsy fandraisana andraikitra hataon’ny mpitondra sy ny mpanao politika ; mitarazoka loatra ny famahana ny krizy. Tsorina fa leo izy ireo ka avy amin’izany no mahatonga ny sasany ho kamo misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana.

Tsy kivy anefa izahay miantso ny vahoaka mpifidy fa izany anton-javatra rehetra izany indrindra no tokony handraisana anjara mavitrika amin’ny fifidianana. Asehoy ny hevitrao ary izay manana ny vahoaka ao an-damosiny amin’izay no mpandresy.

Isika tompon’andraikitra kosa hanao izay tratry ny hery mba tsy ahakivy loatra ny vahoaka. Koa aoka tsy ho “mandrimandry manana aretina” fa mbola be anie ny asa miandry e !

Raha tena hamaha ny krizy mantsy dia tsy ampy raha ny fifidianana fotsiny fa tsy maintsy tokony haorina amin’izay mihintsy ny fototra sy ny soatoavina repoblikana. Efa fotoana ohatra izao tokony hametrahana amin’izay vinam-piaraha-monina iraisana “vision commune” hampiharina eto amin’ny firenena.

Alefanay izany hevitra izany mba ho eritreretin’ny rehetra, toy ny lehiben’antoko politika sy ireo manana andraikitra eto amin’ny firenena.

Ny tenako manokana amin’ny maha tompon’andraikitra ahy dia vonona ny amin’izany ary tsy hiamboho adidy na oviana na oviana aho raha mbola misy azoko atao ho an’ny tanindrazako sy ny vahoaka ary hambarako azy ireo fa “raha kamboty ianareo dia izaho no rainareo ; raha kamboty aho dia ianareo no raiko” .

Natao indrindra koa izany hafatra izany ho antsika mpikambana ato amin’ny Kongresy manoloana ny fihazakazaky ny toe-draharaha mba handinika tsara mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra sao isika koa no “handrora miantsilany eto” .

Tompokolahy sy tompokovavy,

Eto am-pamaranana ny anjara fitenenanay dia tsy mety ny tsy haneho ny fisaorana eram-po sy ny sitraka eram-panahy ho anareo vahiny nasaina manokana. Namaly ny fanasana ianareo ka velon-kasina ity Andrimpanjakana ity ; henin-kaja, henim-boninahitra ny FIRENENA MALAGASY.

Tsy azonay “atao ambany maso tsy tazana toy ny vatan’orona” ihany koa ianareo rehetra namana mpiara-miasa eto anivon’ny Kongresin’ny Tetezamita. Nanao “soroka miara-milanja, tanana miara-mandray” tamin’ny fanomanana izao fotoana izao.

Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy.

KOA DIA AMBARAKO ARY FA MISOKATRA IZAO FOTOAM-PIVORIANA TSY ARA POTOANAN’NY KONGRESIN’NY TETEZAMITA IZAO.

1 commentaire

Vos commentaires

  • 27 juillet 2011 à 12:00 | QUOUSQUE TANDEM (#543)

    "Fa iza moa no voafidy amin’izao fotoana ?"

    A propos d’immunité, rappelons que Rajoelina tsy voafidy, sa tsy izany va ?

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS