Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Fanambarana

Laha-tenin’ny Filoha Avon’ny Tetezamita, Alahady 6 Marsa 2011

lundi 7 mars 2011

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana !

Misaotra an’Andriamanitra isika, mitantana ny zavatra rehetra noho ny fiarovany lehibe sy ny fitahiany eo anoloan’ny ratsy. Ho azy irery anie ny Voninahitra !

Tohina ny Fo manoloana ny Fitiavana sy Firaisan-kina nasehonareo tsirairay avy sy ny mpiray Tanindrazana rehetra manerana ny Nosy taorian’ireny teti-dratsin’ireo tsy mataho-tody ireny.

Mivantana ao anatin’ny Fonay ny fanehoam-piraisan-tsaina sy ny firaisam-po natolotrareo. Koa amin’ny anaranay mivady sy ireo zanakay kely telo mianadahy no anolorako fankasitrahana feno sy fisaorana eram-po eran-tsaina ho an’ny Malagasy Tsy vaky volo. Tsy sanatria ny ratsy no mahafaly, fa ny fihetsika feno fitiavana sy ny fankaherezana nasehonareo na eo aza ny finiavan’ny olombitsy hanao ratsy.

Tsy voalohany akory izao ny fanakaramana mpikaraman’ady na vahiny io na eto an-toerana.
Ny fampiasana fitaovam-piadiana
Ny fanapoahan-javatra tetsy sy teroa
Ny fikasana hamono
Ny fanakorotanana sy ny hisian’ny savorovoro
Ny tanjona kendren’izy ireo dia ny fampirorohona sy ny fandemen-tsaina ka hanakana antsika hiroso sy hampandroso an’ity firenena ity .
Nandritra izay 2 taona mahery izay, dia betsaka ireo tsy manan-tsiny namoy ny ainy. Ampy angamba izay !
Misy mihintsy ireo mikatsaka ny hisian’ny ady an-trano eto amintsika.
Foto-pisainana mamoafady izany ary tsy mifanaraka amin’ny soatoavina maha Malagasy. Nefa izany no tian’ny sasany hovolena eto amintsika. Mbola mitohy ihany, mbola mitohy hatrany ny fitiavan-tena ka ny ao an-tsainy dia ny hoe “Raha maty aho, matesa rahavako”.

MAZAVA IZAO fa misy ny tsy vonona mihintsy hitady vahaolana hitsaharan’ny savorovoro politika sy hirosoana amin’ny fitoniana. Misy ny manao izay tsy ahombiazan’ny Tetezamita ka mitetika ny tsy hitsanganan’ireo rafitry ny Repoblika fahaefatra. MAZAVA IZANY ANKEHITRINY !
Tsy ny fositra akory no tsy hambolem-boavahy, ary tsy ny sakana atao etsy sy eroa no tsy hirosoantsika.
Efa nilaza ny tenako tamin’ny Fifampiarahaban-tsika tratry ny Taom-baovao 2011 hoe : “sarotra ny lalana ,nefa akory ny Voninahiny, Mafy ny Tanjona , nefa akory ny Halehibeny”.

Efa nanapa-kevitra ny Vahoaka Malagasy Masimandidy, Efa tafajoro ny Repoblika fahaefatra.
Hiroso aingana isika satria na ahoana, na ahoana dia tsy maintsy faranana haingana ny Tetezamita.
Ny adidy tsy an’olon-dratsy , ary matoa mbola tafajoro toy izao isika ry Malagasy dia nomen’Andriamanitra andraikitra hanarina sy hanavotra ary hampandroso ity Nosintsika ity.
Vao tamin’ny Alarobia teo ny Antoko politika maro an’isa no nanapa-kevitra ny tsy maintsy hamitana ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena amin’ity taona ity, koa dia hiroso isika satria isika tsy naman’izay mihemotra.

Ry Malagasy namako !

Ny fihetsika mifono fankahalana nasehon’ny sasany dia voamaika mamporisika antsika hanamafy ny diantsika, toy ny tsy hamelantsika ho very anjavony ny ain’ireo namoy ny ainy ho an’ny Tanindrazana.
Tsy ekentsika hahazo vahana ny herisetra. Tsy maintsy ho tafita ity Nosy ity. Tsy maintsy ny Fitiavana no hampandrosoantsika ny Tanindrazantsika,
satria MASINA NY TANINDRAZANA !

21 commentaires

Vos commentaires

  • 7 mars 2011 à 10:40 | ZOZORO (#5338)

    Eny leisy a !

    • 7 mars 2011 à 17:59 | niry (#210) répond à ZOZORO

      D’après moi, ’faudrait qu’il se méfie désormais aussi de son entourage immédiat, parce que les commanditaires ne sont souvent pas ceux qu’on croit..
      La ficelle commanditaires = 3 mouvances est un peu grosse.. En tout cas M. Fetison a eu raison de tout de suite rapidement condamner l’acte(!) ..

  • 7 mars 2011 à 10:49 | razafi (#1661)

    Si tu veux vraiment avancer et aider les malgaches à résoudre cette crise arrête de parler et tire toi de là ! C’est pacifique et on te félicitera même pour ça ! En attendant tu es tres mal placé pour donner des leçons aux autres. Le changement commence par soi même...

  • 7 mars 2011 à 11:13 | Dandeen (#458)

    Ntsôôôôôôô nalé !Tohano sy arovy tsara zareo ny filohantsika sy ny vadiny sy ny zanany 3 mianadahy ...

    • 7 mars 2011 à 11:53 | RAVELO (#802) répond à Dandeen

      Marina ny anao ry danden,arovan-tsika mafy mihintsy ny domelin-tsika fa tsy manana afa tsy io i Madagascar !!!!

      Vazivazy iray an-dàlana fa tsy avelanay ho vonoin’ny bomba izany io fa tianay ho tsaraina araky ny lalàna marina rahefa vita izao savotako rehetra izao ;amin’izay fotoana izay dia ahantona eo amin’ny place du « jet d’eau » eo anoloan’ny hotel de ville izy ho atao hanatra hoan’ny manaraka.Tsy mahazo milefa any @ambassade hain-tsika izy an !!!!

      Izany no sazy mendrika an’izay mamadika ny tanindrazany.

    • 7 mars 2011 à 13:49 | rakoto09 (#1735) répond à Dandeen

      Dandeen,
      Parce que tu fais peut être partie de ceux qui ont voulu atteindre à la vie du Président ? Aie le courage de ratifier tes actes au lieu de faire des sous entendus en permanence.

    • 7 mars 2011 à 14:24 | RAVELO (#802) répond à rakoto09

      Pauvre de rakoto,trouver encore le culot de défendre ce bon à rien !!!!!
      Je suis entièrement d’accord avec toi s’il avait fait une seule toute petite chose de positive pendant ces deux ans !!et ne me dis surtout pas que c’est à cause des opposants,ils ne font que leur boulot,et malgré toutes les menaces et violences dont ils font l’objet tous les jours !!!!

      Quand ce jour viendra rakoto,qu’il n’aille pas,ce petit ignare de domelina,se terrer dans une ambassade !!!!
      car ce jour viendra inexorablement rakoto.

    • 7 mars 2011 à 16:04 | boanasidy boana (#4831) répond à rakoto09

      Mince alors ! Est-ce-qu’on n’a plus le doit de rigoler dans cette p... de république où le moindre sourire esquissé est interprété comme des signes de culpabilité !

      Soyons sérieux « rakoto09 », c’est parce que votre « Big Brother » a échappé à un attentat fictif cousu de fil blanc qu’il se pose en victime et se hisse au rang du héros national pour amuser la galerie ! Trêve de plaisanteries, seulement je voudrais renchérir : « Qu’il arrive à M. Andry NIRINA Rajoelina ce qu’il souhaite » !

  • 7 mars 2011 à 11:52 | ravel (#4625)

    Tu parles comme d’habitude ,tu sais bien tu es defendu par la France qui t a
    soudoyé jusqu à tes tripes ,t es soudoyé par des karana ,tu dois te renseigner auprés de ton second Charles si tu veux connaitre plus.
    Les malgaches te connais assez qu il ne te laissera plus à manoeuvrer ce pays ,on sait bien ta coopération avec les mafia ,et français en particulier.
    ton cinema d’attentat ,pour faire ce discours ,signe encor que tues un voyou de pur race,
    Alors les malgaches ont soif de justice ce n’est pas en toi ou en christine Razana. et en vos elections qu ils vont trouver cela ,alors je te reitere tu peux arreter ce que tu veux ,tuer ce que tu veux,Mais le malgaches s’echuffent et ils s’exploseront et certainement pas à la maniére de ta bombe .
    je te livrerais mes coordonnées si tu veux plus ample renseignements.

  • 7 mars 2011 à 12:05 | Rabe (#3378)

    ...efa hoe tsy misy hain’là ny mikasika ny firenena... afatsy ny fanapotehana efa 2 taona izao

    efa nivaha ny olana raha nanaraka ny SONIAN’là elà fa tsy TANALAHY... tsy misy matoky an’là zany eo e

    ...nde miverina @ asa mety am’là... tahaka izay elà efa lasa DGG (David Geutta Gasy) elà... hahaha

    • 7 mars 2011 à 13:40 | Tafatafa (#4052) répond à Rabe

      dia inona koa ?

      misaotra lesy fa lasa gisitra ny firenena e

      Retournes à tes platines mon vieux

  • 7 mars 2011 à 13:54 | barykely (#392)

    Ny Mpanongam-panjakana dia tsy mendrika ny hitantana firenena.
    Roa taona tsy hita izay naterany.
    Raha hendry ise dia asehoy ho hitam-bahoaka ny fandehan’ny fitantanam-bola,fa tsy izay tsipopoka kely niseho dia lazaina fa tafondro be nety namono...
    Tsy mendrika an’ise io toerana io fa ny miala teo no mety amin’ise.

  • 7 mars 2011 à 14:07 | root (#5393)

    Tapahan’i orinasa TOP TOLES ny làlakely mampitohy an’i Manjakaray sy

    Ambodivona.Mpianatra sy mpiasa ary olona maro no mampiasa io làlana

    io.Voatery mirobo-drano ny olona .Aiza ny « servitude de passage ».Fanamparam -

    pahefana sy fanaovana tsinotsinona ny vahoaka madinika io ataony io.TSY

    FIRAHARAHINA.Voratery miodina any Ankorondrano na miakatra any Manjakaray

    Tampon-tanana ny olona.Fiodinana kilometatra maro.Mijaly ny vahoaka,

    indrindra ny ankizy madinika mpianatra sy ny mpiasa.Mandraisa andraikitra ry

    FANJAKANA ;

    • 7 mars 2011 à 14:16 | RAVELO (#802) répond à root

      Fanjakana inona ry root â !
      angaha misy an’izany eto Madagascar @ izao fotoana izao ?

  • 7 mars 2011 à 14:46 | Newdep (#5157)

    Matoa hono mbola Tafajoro tahaka izao isika ! Latsa re izany, olona efa mitrosona @ tany ka hoe tafajoro ! Izao tokoa no idéalin’ny mpanongampanjakana an !
    Fanapahan-kevitra dictée tamin’ny alarobia ve no hoe fanapahan-kevitry ny antoko be dia be ka hatsangana ny FAT-CT sy FAT-CST ombalahy tanimanga ?

    Efa hita izao fa tsy mahatsiaro tena mihitsy akory ho mpitondra fanjakana ! @ anaran’i Mialy kely sy izy 3 mianadahy hono no mba hisaorana ! te hanangoly sao mba misy mihaino ingahikely fuz !

    Ery @ anjely volamenany eny Anosy mihitsy no tsara anantonana azy ! @izay mba eny an-tampon-dohan’ny mpaniraka azy ! Te hofaty héros fa efa zéro foana hatrizay ! Mamorona ny tsy misy, mahazo oscars any Vanuatu !

  • 7 mars 2011 à 15:02 | ZOZORO (#5338)

    Les pro-HAT évitent ce sujet. Mais peut être qu’ils ont honte de ce que l’autre a dit ?
    Il n’y a que ce Babakoto09 qui a fait une brève apparition.
    Mais tout cela reflète la mentalité HAT et consorts. Ils préfèrent faire toute une histoire de la petite explosion et faire diversion comme à chaque fois.

  • 7 mars 2011 à 16:24 | boanasidy boana (#4831)

    M. Andry Nirina Rajoelina est aux abois ! En montant ce « cinéma » du MASAY il veut frapper un grand coup en voulant ratisser large, voulant trouver dans son filet tous ceux qu’il soupçonne comme des « empêcheurs de tourner en rond » ! Alors ce cinéma de « bombinette », le truc de « Radion’ny Gasy », la menace qu’il fait peser sur notre Président Rasendrahasina Lala et sur la F.J.K.M. notre Église, tout ceci n’est point fortuit ! Mais, Messieurs le P.H.A.T., ses acolytes et ses hommes de main, sachez ceci :

    SI VOUS OSEZ « INTERPELER » LE PASTEUR RASENDRAHASINA LALA VOUS VERREZ LA GRANDE VAGUE DES FIDÈLES DE LA F.J.K.M. (UNE COMMUNAUTÉ FORTE DE 3,5 MILLIONS DE MEMBRES A TRAVERS MADAGASCAR) SE LEVER COMME UN SEUL HOMME POUR VOUS EMPORTER ET POUR VOUS ENGLOUTIR EN UN CLIN D’ŒIL ! OSEZ TENTER DE LE FAIRE INTERPELER ! EN COMPARANT, LA FOULE IMMENSE QUI A ATTENDU LE PRÉSIDENT MARC RAVALOMANANA A IVATO LE 19 FÉVRIER 2011 N’EST QU’UNE PARTIE SEULEMENT DE LA MASSE COMPACTE QUI VA VOUS TERRASSER ! BIEN QUE LE PRÉSIDENT RASENDRAHASINA LALA AIT DIT QU’IL N’EST POINT PARTISAN DE FAIRE DESCENTE DANS LA RUE LES FIDÈLES DE LA F.J.K.M., NOUS ALLONS ENVAHIR TOUTES LES GRANDES ARTÈRES DE LA CAPITALE EN UN CLIN D’ŒIL BIEN QUE NOUS N’AYONS PLUS DE « RADIO FAHAZAVANA » POUR LA MOBILISATION !

    N’oubliez pas l’adage malgache : « Aza ny saka matory no alam-bolombava ! »

  • 7 mars 2011 à 16:27 | Rasamy (#1319)

    tena maha menatra mihitsy raha mamaky ny lahateny nataon’i TGV marary saina.Dia hita mihitsy fa kabary tsara lahatra, izany hoe : izy izany dia tena bandy kely tonga lafatra, tena parfait ny zavatra rehetra nataony hatraminizay, nefa tsy hitany fa efa mitsako b ille daholo ny vahoaka tsy mandady harona, ary hita mihitsy ilay kabary fa i Ratsirahonana sy i haute forme (Andriamanjato richard) no tena nanamboatra anilay izy.Raha namaky anilay izy hatraminy farany izaho dia tena izy izany no tena madio, hendry, tsy misy pentina ny zavatra nataony, ary ny tena mampalahelo dia : tsy sanatrtia akory mitsara anazy izaho fa manao resak’olona tsy nahita fianarana sady mirediredy mitovy aminy olona midélire ireny, nefa ry zareo ao ihany no mifamely dia lazaina fa ny opposotion no ambadikizao, tena mampalahelo mihitsy, i leiry izany dia tena anjely latsaka an-tany fa sisanizay dia devoly daholo, nefa tandremo ry leiry fa misy farany ny zavatra rehetra, samy mahy mikabary ry leiry fa aoka izay fampihesonana izay, ny ahay woa dia zao fotsiny ny aina no mahatezà , dia rahoviana indray ny « ATTENTAT » manaraka é satria jamais deux sans trois

  • 7 mars 2011 à 18:45 | le critiqueur (#4650)

    voila encore ces Gasy Tera-Tay qui foncent sans vergogne vers la haine de Andry Rajoelina avec leurs insultes ! les insultes leisy lasa tso-drano a !
    votre dada est foutu ary mionona fa tsy miverina o intsony iny !

    Et puis arrêtez de parler au nom du vahoaka chers GTT car c’est ce vahoaka qui a enlevé du pouvoir votre très cher paternel voleur/menteur ! sao tapaka lalan-dra eo nareo fa mahatantesa ny natao ihany no miverina e ! je vous emmmerde !

    • 7 mars 2011 à 19:50 | tononkira (#3592) répond à le critiqueur

      Sao ianao ry critiqueur no ho tampaka lalan-drà an ! Mba fantatrao moa ny ao am-po lalin’i Andry Rajoelina : Te-hiresaka mafy amin’i Dada Ra8 ny GTT izy.Saingy ... mamy ny aina e !

  • 7 mars 2011 à 19:31 | tononkira (#3592)

    Mipoitra ity ny miafina. Dia ny hasosoran’ny mpanolon-tsainan’ ny FAT, izay tena vonona ny hiresaka amin-dRa8. Saingy tsy afa-manoatra i Andry ! Andramo vakiana an-tsipirihany anie ny lahatenin’ny FAT rehetra e ! Dia hangarana eo le ratsy lazain’ny FAT eto : le manodidina azy ao ihany ! Le FAT tena mitsinjo mafy ny vahoaka, le mpanolon-tsaina kosa miaro ny rambony tsy ho tapaka. Hany ka le vahoaka nahita mangirana teo iny no poretina hiverina any amin’ny maizina.
    Tena mivavaka aho ry FAT mba ho tanteraka ny fanirianao lalina hiresaka amin’ny Ra8 an.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS