Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 10h50
 

Malagasy

Antsirabe Ambonivohitra

Kandida tokana : Tahotra sa tsy fahavononana

jeudi 15 novembre 2007 | Princia R.

Taorian’ny fetra farany fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ny Ben’ny tanàna sy ny filan-kevitra no nahafantarana fa tokana ny mpifaninana ho amin’ny Ben’ny tanàna eto Antsirabe dia ny atolotry ny Tiako Madagasikara, Rtoa Olga Vololonirina Ramalason ary 5 kosa ny lisitra mipetraka ho an’ny filan-kevitry ny tanàna : « Tiako i Madagasikara », Grad Iloafo, AFVA « Andry Fampandrosoana an’i Vakinankaratra » Arema, ary ny Matotra. Manontany tena ny mponin’Antsirabe fa nahoana no dia tokana ny kandida tamin’ity indray mitoraka ity nefa tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka farany teo nisy lisitra 5 be izao, sa ve tsy mandrisika ny maro ny toeran’ny Ben’ny tanàna ? Ao koa ny milaza hoe : sa matahotra ny handimby ny teo aloha noho ny ezaka maro vitany ? Sa koa tsy vonona mihitsy amin’ny fitantanana ny tanàna ny antoko sasany ? Asa koa sa mety ho kelikely tombotsoa ? Samy manana ny valiny avokoa ireo fanontaniana ireo ho an’ny isam-batan’olona. Ny hany sisa ezaka mafy tokony atao izany izao dia ny fampakarana ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy satria somary latsaka izany tamin’ny fifidianana farany teo nanodidina ny 41%. Eo ampiandrasana ny fampielezan-kevitra indray izany ny valalabemandry.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS