Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Malagasy

Mahajanga I

Kandida mahaleotena Brunaud Tsiketa

vendredi 7 décembre 2007 |  520 visites  | Tsievhanta

Isan’ireo kandidà mirotsaka ho fidina ho ben’ny tanàna i Brunaud Tsiketa. Teo amin’ny sehatry fanabeazana tanora no nahafantarana azy. Izy rahateo mpanabe tanora ao amin’ny « scoutisme » malagasy. Saika hita taratra teo amin’ny fanentanana isan-karazany misy tao antampon-tananànan’i Mahajanga izy, indrindra fa ao amin’ny haino aman-jery. Nirotsaka hofidina ho ben’ny tanàna izy noho ny fahatsapany, hoy izy fa mila tanora ity tanànan’i Mahajanga ity. Miisa 14 ireo soritr’asa hotanterahiny raha toa ka izy no ho lany ben’ny tanàna eo. Anisan’ny misongadina amin’izany ny fanatsarana ny toeram-piantsonan’ny « taxi-brousse », fampitomboana ireo sehatra malalaka fialam-boly ho an’ny tanora, fampihavanana ny tanànan’i Mahajanga amin’ny tanàna hafa any ivelany, sns… Fa mbola milatsaka hofidina ho mpanolo-tsaina ihany koa ny kandida Brunaud Tsiketa Jamoka Misetra.Ny teny filamatra atolotrin’ity kandida ity dia « Mahajanga mendrika ny taona arivo fahatelo ». Ary vonona tokoa izy hoy izy ny hampandroso tanteraka ity tanàna ity indrindra fa ho an’ireo tanora.

===================
Manezaka mafy ny kandidà Dr Nirina

Isan’ireo misongadina raha ny propangady tarihin’i Dr Nirina natolotry ny antoko TIM eto Mahajanga. Tamin’ity herinandro ity dia ny fizaràna lay misy ody moka no nibahana tamin’ny fampielezan-kevitra. Ezahina hovitana amin’izany ny fitsidihana ireo fokontany 26 eto antampon-tanànan’i Mahajanga. Isan’ireo misoratra ao anatin’ny tetik’asany mantsy ny famongorana ny aretina indrindra fa ny tazomoka. eo ihany koa ny famongorana ireo loto izay tena mampikaikaika ny maro tokoa indrindra fa amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao. Izy rahateo efa misahana ny sampan’asa momba ny fahasalamana sy ny fahadioavana teto Mahajanga. Tsy mitsanga-menatra ny amin’ny fanatanterahana ny fampandrosoana ny tanànan’i Mahajanga. Vaindohan-draharahany ihany koa ny hamahana ny olana eo amin’ny tsy fandriampahalemana izay somary nisy teo ho eo teto antampon-tanànan’i Mahajanga.

Na dia betsaka aza ny fanankianana sy fitsikerana ataon’ny kandida sasany dia mbola miroso amin’ny dingana manaraka ihany ity kandida ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS