Gaga ny rehetra raha mahita ireto mpitondra fanjakana izay noesorina amin’ny toerany, izay mamela trosa hatrany rehefa mandao ny toerany, nefa fony izy ireo nitondra toa manambara fa mizotra hatrany ny asa fampandrosoana ka zary lavitr’izany trosa izany. Firy tamin’ireo mpitondra vao niala tamin’ny toerany izao no nahitana lavaka be rehefa nanao ny famindram-pahefana izy ireo. Matoa aloha noesorina na nosoloina dia hitan’ny filoham-pirenena fa tsy nahomby. Ny mahagaga anefa toa izay mandalo dia mandavaka, ary tsy hita pesipesenina ny trosa avelan’izy ireo. Firenena inona no handroso amin’izany raha samy hanao toy io avokoa ny mpitantanana rehetra. Hita aloha hatramin’izao, fa tsy misy ny traikefan’ireto mpitondra sasany ireto matoa mbola tsy mety tafarina foana I Madagasikara. Inona no sazy ho an’ireo minia manao rapa-dango ny harem-pirenena lava izao ? Maro ny manao « audit » ireo izay mandray ny fahefana vaovao, saingy toa tsy hita veroka ny tohiny . Izay angamba no ilaina ny hametrahana haingana ny haute cour de justice hitsara ireo mpitondra izay heverina fa manao ny tsy mety. Rahoviana anefa io no hijoro, ary iza no sahy hametraka izany ?
Izay mandalo dia mandavaka
samedi 12 janvier 2008 |
| 640 visites