Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 04h35
 

Malagasy

Depiote Reboza

Iza ireo kaominina nandaniana 27 miliara ?

lundi 11 juin 2007 | Naivo kely

« Tsy misy mihitsy ny mangarahara amin’ny fandaniam-bolam-panjakana, ka na dia mangataka fanazavana ny nampiasana ireny aza izahay olom-boafidy, dia zara raha mahazo fanazavana ». Io no nambaran’ny depiote Reboza raha nangata-panazavana tamin’ny ministry ny fitsinjaram-pahefana ry zareo amin’ny filazana fa nisy vola mitentina 27 miliara ariary naparitaka manerana ny kaominina rehetra teto Madagasikara. Iza avy no nahazo ireo vola ireo, ary ohatrinino isaky ny kaominina ? Iza no tsy mahalala fa 30 tapitrisa isaky ny kaominina isan-taona no azon’ireo kaominina ambanivohitra, fa ny antanan-dehibe kosa dia hafa raha mitaha amin’io. Eo ihany koa ny fahitana fa misy kaomina antanan-dehibe toan’i Fianarantsoa sy Toamasina nataon’ny fanjakana anjorom-bala amin’ny fanampiana tahaka izao ? « Izay no hilanay fanazavana matotra, mba tsy ho tompon-trano mihono ny mpanao lalana, ary tsara hazavaina ihany koa ny vola natobaka ho an’ny kaominina eto andrenivohitra ».

Tsy mangina ny mpanohitra

Raha tsy re firy intsony ny hiakan’ny komity mpanohana ny TSIA tao ho ao, dia mbola nanamafy ingahy Reboza Julien, depiote voafidy tany Amboasary atsimo, fa misy tetika tsy maintsy atao, ka tsy midika io fa mangina na resy an’ady. Io tetika io indrindra no antony nanangana ilay vondrona Parlemantera vaovao « GPDM », izay i Lahiniriako Jean no namorona azy, ary ny tenan’ingahy Reboza kosa no manetsiketsika fatratra azy. Maro ny depiote no niditra ao, ary heverina fa hatanjaka amin’ny sehatra maro, indrindra ny fanehoan-kevtra. Tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy rariny, ary vonona hiatrika ny fifidianana isan-karazany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS