Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Teny zato, kabary arivo

Inona no tena marina ?

mardi 1er juillet 2008 |  912 visites  | Naivo kely

Hiverenana kely ny momba ireo asa goavana ataontsika eto Madagasikara, indrindra fa ny eny Ivato. Tetik’asa goavana handaniana vola be, ary tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy, ny fanitarana ny seranam-piaramanidina etsy Ivato. Roboka ny mpiara-miombona antoka namatsy vola, izay voalaza fa nandritra ny fivoahan’ny filoha Ravalomanana tany Japon no nitsiry tao an-tsainy ity asa goavana ity ?

Inona no tena marina amin’ity asa ity ? Efa ela ve no nisy fikasana hanao io sa tena vao iny fitsidihana iny no nikasana hanao azy ? Iraha mahalala, fa maro ireo asa izay nokasaintsika hatao, saingy mbola mandeha ambaratongany maro ny fifanarahana vao mivoaka ny vola. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, dia volana vitsy monja dia raikitra ny fifanarahana.

Gaga ihany ny maro mandre izany, satria hay ve mora resena lahatra tahaka izany ireto firenena vahiny ireto raha misy asa goavana tiantsika ho atao e. Koa nahoana raha miditra amin’ny tetikasa fanaovana sekoly sy toeram-pitsaboana maro isika, dia mba ho atomboka ao anatin’ny fotoana fohy ihany koa ireny asa ilain’ny mponina any ambanivolo ireny ? Mino isika fa tena ho ao anatin’ny mangarahara ny hanaovana ireny fifanaraham-piaraha-miasa ireny, ary ho voadiniky ny fanjakana ihany koa ireo filan’ny mponina voalaza etsy aloha any ambanivolo rehetra any, mba tsy ho zara raha mahay manisa ny ankizy, dia mijanona tsy mianatra intsony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS