Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 11h13
 

Teny zato, kabary arivo

Injay ilay feo

mardi 19 février 2008 | Naivo kely |  349 visites 

Mateti-pihavy ny loza voajanahary eto Madagasikara, satria nosy isika. Ny vanim-potoana toy izao mazana no tena famelezan’ny sikilaonina, ary tanàna maro no rava ao anatin’ny indray mipi-maso. Ny manarina ny fahavoazana kosa anefa tsy vita iray volana. Hita sy tsapa ireo amin’ny ezaka ataon’ny mponina sy ny fanjakana taorian’ny rivo-doza « Fame » teo. Dia hanarina ny voka-dratsin’i « Ivan » indray izany, na dia hita fa mbola tsy mikatona aza ny fery navelan’ny teo aloha. Ny fifidianana anefa dia manakaiky izay hatao amin’ny 16 martsa izao. Manana risi-po handeha hanefa ny adidiny ve ny vahoaka manoloana ny fahavoazana mahazo azy ? Injay ilay feo milaza fa tokony ahemotra ny fifidianana hoy ny hafa, satria tsy voakajin’ny mpitondra ve fa vanim-potoanan’ny sikilaona ny volana martsa toy izao ? Dia ho hita eo, fa tsy maintsy hisy ny famerezan-jo ny mpifidy tsy fidiny, satria aleony manarina toy izay hifidy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}