Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 14h32
 

Malagasy

Masera mpisoloky

« I Jesoa no naniraka ahy »

mercredi 10 décembre 2008 | Crépin Randrianjafy
Soa fa misy tilikambo miaro amin’ny ratsy.

Teo ampanaovana ny asa ratsiny ilay masera mpisoloky no tratra. Vola mitentina
Ar 100 tapitrisa no notakian’ity vehivavy milaza fa mpitsabo mpanao asa fanavotana ity, tamin’ireo olona izay nandalovany. Nandritra ny famotorana moa dia nilaza izy fa « i Jesoa no nampiditra azy tao amin’ny fianakaviamben’ny masera » Tao amin’ny fikambanan-dry Masera Franciscaine moa izy teo aloha. Ny Zanak’Andriamanitra ihany koa no mbola nolazainy ho « nanala azy tao amin’ny fikambanana ka naniraka azy hanao asa soa ». Tsy taitra akory izy raha nanazava ny toe-javatra nisamborana azy satria tam-pitsikiana lava foana izy no mitantara ny zavatra rehetra izay nitorian’olona azy.

Dodon’i Jesoa

Misy tokoa ny olona izay efa tratrany sy nahazoany vola be tamin’izao fisolokiana izay nataony izao. Nisy fotoana izy nametraka fitokisana tamin’olona mivady fa hoe « mahavita mampiova ny fiainan’izy ireo ». Nanome vola be azy ireto mpivady ireto. Niverina indray izy fa hoe haka ny ambim-bola sisa tavela, kanjo nitaraina ireto farany fa tsy mbola misy fiovana ny fiainan’izy ireo. Tamin’izay moa nilaza indray ilay masera fa « tsy tafandry mandry mihitsy izy fa dodon’i Jesoa foana ka mila mandeha haka ilay vola ambiny ». Tsy nety nanome intsony izy anefa mivady, ka teo izy no nanozina fa « raha tsy manome ianareo dia ho simba jiaby ny entanareo ary harary ny zanakareo ». Tsy tapitapitr’izay àry dia simba tokoa ny vata fampangatsiahana iray tao an-tranon ary ny zanak’izy mivady izay nihinana manga teo an-tokotany kenda tampoka.

Afaka

Ny Pretra iray tao amin’ny paroasin’Androva moa no nanitsoka an’i Masera Nivo, andro vitsy lasa izay. Avy hatrany dia naely manerana ny fiangonanan katôlika tao Mahajanga ny momba azy. Avy eo, ny Evekan’i Mahajanga sy ny vikera mihitsy no nanao fanambarana ho ren-tany, ren-danitra momba izao raharaha izao. Noafahan’ny fitsarana anefa i Masera Nivo, taty aoriana. Ka vaky vava ny mpino sy ny mpitondra fivavahana ny momba izany. Dia mbola i Jesoa koa ve no tao ambadiky ny didim-pitsarana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS