Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 23h09
 

Malagasy

Fetin’ny 26 jona

Hoy izy ireo

samedi 28 juin 2008 |  770 visites  | Oliva R.

-  Andry Rajoelina, Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra :
« Nahay niray hina nitorajofo ny vahoakan’Antananarivo manontolo. Enga anie ka ho tanteraka tokoa ny hiram-pirenena manao hoe : « He sambatra tokoa izahay » !

- Bruno Andriantavison, minisitry ny Paositra sy Fifandraisan-davitra ary Serasera :
« Faly aho amin’ny gazety malagasy fa mendrika tokoa izy amin’ny maha zokiny indrindra azy manerana an’i Afrika, Na tsy eo intsony aza ny « Teny Soa », dia efa mahatratra 130 taona izao ny « Sakaizan’ny Tanora ». Mirehareha mihitsy aho amin’io gazety « Ny Sakaizan’ny Tanora » io satria ny Pastora Rakotondravohatra, ilay nantsoina hoe « Village Boy », anisan’ireo namorona azy dia raibeko. Miarahaba ny vahoaka malagasy tsivakivolo aho noho ny fetim-pirenena.

- Robinson Jean Louis, minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena.
« Ny irian’ny vahoaka malagasy rehetra fa tsy hoe ny mpitondra Fanjakana ihany no tsy maintsy manao izay mety dia ny mba hirosoantsika amin’ny hasin’ny spaoro. Dia hatao izay tsy maintsy hahatratrarana an’izay ».

-  Panja Ramanoelina, minisitry ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono :
« Ny tanora tsy maintsy mamokatra. Hanao « recrutement » maromaro izahay atsy ho atsy raha vao vita ny fandaminana anaty. Hampiditra « vulgarisateurs » 700 eo ho eo raha tamin’ny voly avotra teo no dinihina. Ireo « volontaires de développement agricole » miisa 158 moa dia ezahina tazonina avy hatrany ».

-  Ivohasina Razafimahefa, minisitry ny Toekarena :
« Zon’ny Filoha no mijery ny firenena manontolo. Adidiny koa ny mijery ny faritra rehetra eto amin’ny firenena, dia izay no nandehanany tany Toamasina. Tsy hoe Filohan’ny toerana iray na faritra iray izy fa Filohan’i Madagasikara iray manontolo ».

- Manandafy Rakotonirina, Filohan’ny MFM :
« Amin’ny zoma aho vahinin’i Onitiana Realy amin’ny « Invité du Zomà » TV Plus. Any resahako hatramin’ny casquette hanaovako ».

-  Moxe Ramandimbilahatra, Senatora :
« Ny finoana no mamolavola ny Malagasy ho amin’ny fitiavan-tanindrazana. Izay no tsy maintsy handinihantsika lalina ny dikan’ny hoe « Laïcité », satria ny frantsay no nitondra an’io niditra teto. Koa mampirisika ny fiangonana aho amin’ny andraikitra raisiny manodidina an’io. Ny firimorimon’ity atao hoe fanatontoloana ity dia mety hanimba antsika raha tsy miverina amin’ny fototra niaingana isika. Ny finoana ny hasin’ny maha Malagasy izay fototra izay, ary koa mifanindran-dàlana amin’ny maha Kristiana antsika izany ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS