Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h52
 

Malagasy

Fanambarana

Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara

mardi 16 décembre 2008

Manoloana ny didim-pitondrana navoakan’ny Ministeran’ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Fifandrasisana, manakatona ny Televisiona VIVA, ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara dia manao izao fanambarana izao :

1- Ny fahamaroan’ny orin’asa mpampahampalala vavao dia fepetra iray takian’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety mba hahafahan’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka manana loharanom-baovao feno mamela azy hanana safidy malalaka. Noho izany, ny Holafitry ny mpanao gazety dia tohina mandrakariva manoloana fanakatonana foibe fampalalam-baovao sy haino aman-jery. Noho izany ny Holafitra dia mitaky ny hamelana hiasa ireo fitaovam-pifandraisana sy haino aman-jery niharan’ny fanakatonana.

2- Ny Holafitry ny mpanao Gazety eto Madagasikara dia miantso mpa,ao gazety tsy an- kanavaka hamantatra sy handalina ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny fanaovan- gazety manan- kery eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao ary hanaja izany ao anatin’ny fenitra sy ny fitsipi-pitondratena (déontologie et éthique) mifehy ny asa fanaovan- gazety.

3- Ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara dia miantso ny mpitondra mahefa isan’ambaratongany mba handinika sy hamoaka haingana ny lalàna vaovao mifehy ny fifandraisana eto Madagasikara, mifandraika amin’ny zava-misy eran-tany sy eto Madagasikara amin’izao vanin’andro misy antsika izao.

Antananarivo faha 15 desambra 2008

Ny Filoha
Rufin RAKOTOMAHARO

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS