Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 15h33
 

Malagasy

Ministra Radavidson

Ho foanana tokoa ve ny TIM fanabeazana ?

samedi 12 janvier 2008 |  416 visites  | Naivo kely

Omaly tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no mbola nanamafisan’ny ministry ny fanabezana sy ny fikarohana ara-tsiansa Radavidson Andriamparany Benjamin, fa aoka hipetraka ny resaka politika eo amin’ny sehatry ny fanabeazana fa andeha ny fanabeazana ho an’ny ankizy sy ny tanora no hobanjinina.

Hatreo ihany tamin’ireo kabary lava be nataony momba io no raisinay, ka hoy izahay hoe hofoanana ve izany ny TIM fanabeazana izay toa mahazo laka eo amin’ity ministera ity ?

Ny mpanolotsaina politikan’ny filoham-pirenena Moxe Ramandimbilahitra dia efa nanambara ny tokony hanafoanana io TIM fanabeazana io, fa toa mamoritra ny mpampianatra fotsiny. Dia ahoana hoy ireo mpitarika ity fikambanana politika tafatsofoka lalina any amin’ny fanabeazana ity raha ho foanana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS