Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 09h15
 

Malagasy

CROUA sy ny mpianatra

Ho faizina ny tsy manara-dalàna

jeudi 7 février 2008 |  388 visites  | Naivo kely

Ny alatsinainy teo no niravona ny disadisa teo amin’ny mpianatra sy ny CROUA. Hiarahana ny asa fanadiovana, ary tsy maintsy esorina amin’ny toerana izay olona milaza azy ho mpianatra nefa tsy ara-dalàna. Natsangana noho izany ny solontenan’ny mpianatra iray isam-paritra handrindra ny fahazoan’ny mpianatra trano fonenana, ary any amin’ny fikambananan’ny mpianatra no handinika io taratasy io. Ialana amin’ny mety hisian’ny kolikoly dia samy hanara-maso ny fomba fiasan’ireo solontena ireo ny mpianatra rehetra. Mahatratra 775 ny mpianatra mangataka trano fonenana ho an’ity taom-pianarana 2007-2008 ity hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny CROUA Rakotonarivo William, ary ny ankizy manana fahasembanana kosa dia hojerena manokana ny ahazoany izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS