Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 13h31
 

Malagasy

Ady amin’ny zava-mahadomelina

Ho any Kenya ny MadaYn

vendredi 23 mai 2008 | Manou

Mihanaka ny fidorohana zavamahadomelina eny anivon’ny toeram-pianarana samihafa eto amintsika amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa anefa ny ezaka atao, mifanindran-dàlana amin’izany, hiadiana amin’ny firobohan’ny tanora amin’io fahazaran-dratsy io ary lohalaharana ny Madayn (Madagascar Youth Network), tambazotra ivondronan’ny tanora miady amin’ny fidorohana zavamahadomelina any an-tsekoly eto Madagasikara, miasa eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Primatiora, izay efa niasa tamina faritra maro nanerana ny nosy hatramin’ny niforonany tamin’ny taona 2005.

Hihetsika i Afrika

Aretina ikambanan’izao tontolo izao ny fahalatsahan’ny tanora ao anaty fidorohana zava-mahadomelina. Mandray anjara amin’ny ady ihany koa ny aty Afrika ka hanao fivoriambe ao Kenya ny 27 hatramin’ny 30 may izao ireo firenena 8 mpikambana amin’ny tambazotra aty Afrika atsinanana, East African Regional Youth Network, misy antsika ka i Haja Ramamonjisoa, mpandrindra nasionalin’ny Madayn no hisolo tena an’i Madagasikara any. Hiompana manontolo amin’ny tomban’ezaky ny asa vitan’ny fikambanana isam-pirenena sy ny fametrahana vinavinan’asa ny fihaonambe, araky ny fandaharam-potoana nivoaka.

Efa manana paikady

Manana tondrozotra novolavolain’ny vaomiera iraisan’ny ministera amin’ny ady amin’ny zavamahadomelina araky ny didy décret 98-722 navoaky ny Praiministra tamin’ny 9 septambra 1998, handrindrana ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava mifanaraka aminy ny firenentsika, araky ny fanazavan’i Haja Ramamonjisoa ihany. Mifanaraka amin’ny drafitra iraisam-pirenena ho fisorohana ny fidorohana zavamahadomelina any an-tsekoly io, araky ny fanazavany ihany, ary ao no anovozan’ny MadaYn ny fonjan-kevitra entiny miainga amin’ny fanentanana ataony mitety sekoly isaky ny faritra izay ezahina hametrahana masoivoho ihany koa hifaneraseran’ny tanora, hanamorana ny fifandreseny lahatra amin’ny voka-dratsin’ny zava-mahadomelina.

Sampana ao anatin’ny fikambanana Ny Sahy ny Madayn izay mpikambana ao amin’ny « Global Youth Network » eo ambany fiahian’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina sy ny heloka bevava ihany koa, na ny Unodc (United Nations Office of Drugs and Crime).

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS