Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Malagasy

Taratasin’ny mpamaky

Ho an’ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana FJKM

vendredi 17 octobre 2008

Tompoko,

Mbola nikasa ny hangina ihany ny tenako izay manoratra, manoloana ny korontana fantatro fa mitranga ao amin’ny fiangonana FJKM Anosipatrana, izay fiangonana nibeazako, nitaiza ny fahazazako sy ny hatanorako, ary nitaizako ankizy sy tanora ihany koa. Kanefa matoa mitsikafona eran’ny gazety marobe izany, nanomboka tao amin’ny TRIBUNE, 13/10/2008 ary nitohy tamina gazety samihafa koa ny 14/10/2008, dia efa mihoatra ny fefiloha toy ny tondra-drano ny raharaha, ka tsy haiko hojerem-potsiny toy ny tany nahalavoana, fa tiako ho fantatra ny marina.

Namoaka « didim-pitsarana » ny SPAA 10 tamin’ny sabotsy 3 oktobra 2008 lasa teo, araka ny voalazan’ny gazety, nandroaka ny mpitandrina am-perinasa, tsy hitondra ny Fiangonana FJKM Anosipatrana intsony.
Fanontaniana maromaro no apetrako am-pahibemaso aminareo tompon’andraikitra ao amin’ny SPAA, ary angatahako valin-teny mazava sy mangarahara, Tompoko.

1 – Iza, ary tonony mazava ny aranan’ireo olona nitory ny mpitandrina am-perinasa, satria rariny raha fantatry mpiangona rehetra ny mpitory ?

2 – Inona, ary ambarao mazava ny anton’ny fitoriana io mpitandrina io, satria rariny raha fantatry ny mpiangona rehetra ny heloka iampangana azy.

3 – Inona, ary porofoy mazava, ny fanadihadiana nataon’ny SPAA sy ny vokatr’izany, ka nahazoanareo nanameloka sy nanala io mpitandrina io ?

4 – Oviana, ary anehoy tatitra aman-draki-tsoratra, ny nanomezanareo alalana io mpitandrina io hifanazava taminareo « mpanameloka » azy, satria zon’ny voampanga ny miaro tena ?

5 – Inona, ary voarakitra aiza ao amin’ny lalàna mifehy ny FJKM ny heloka vitan’io mpitandrina io ?

6 – Mahafapo sy mahafaly anareo ve izao zava-miseho ankehitriny izao ?

(...) Tsy ianareo lohan’ny mpisorona no ampahatsiahiviko ny tenin’ny Soratra Masina, satria hainareo tsianjery avokoa izany. Kanefa toa tsy tsapa na hitanay olon-tsotra ny fampiharanareo eo amin’ny fihetsikareo andavanandro na eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinareo ny fampianarana ao anatiny. Lozan’izay iavian’ny fahatafintohinana !

Hoy ny loholona iray tao Anosipatrana, raha nitranga izao raharaha izao : « Mahatsiaro menatra noho ny maha FJKM ahy aho… Tsy izay ho mpitandrina no olana, fa ny fampisaraham-bazana sy ny fampirafesana ny olon’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana no mampalahelo ». Inoako fa raha mbola velona teto izy, dia ho nanao izay tratry ny heriny handravonana sy hampihavanana. Indrisy anefa, nentiny maty izany alahelom-pony izany, satria nindaosin’ny fahafatesana vao tsy ela akory izy.

Raha tsy afaka manazava am-pahibemaso ny anton’ny nanamelohana io mpitandrina io ka nanaiky ho fitaovan’olom-bitsy hanesorana amin’ny fomba jadona ny mpitandrina am-perinasa ny SPAA 10, dia tompon’andraikitra voalohany amin’ny fisavorovoroana aman’alahelo ao am-pon’ny mpino.
Ny fanamarihana farany tiako hambara dia ity :

Maharary sady mahamenatra toy ny tongom-bakivaky ny fihetsika jadona ataon’ny akamaroan’ireo manam-pahefana eo amin’ny sehatra samihafa, na fahefana ambongadiny na sombiny kely fotsiny no eo am-pelatanany.

Heveriny ho tsinontsinona ny olona iandraiketany, ka azony anaovana ‘tian-kano, tsy tian-kano’, satria azy ny fahefana. Vao mainka koa mampalahelo raha eo amin’ny sehatry ny fitantanam-piangonana kristiana no itrangan’izany. Ny olona tahaka izany no ‘maha kely finoana’ ny kristiana ary mampihataka azy amin’Andriamanitra. Tsarovy, Tompoko, fa tsy an’ny Synoda ny fiangonana fa an’Andriamanitra. Fitaovana tokony handamina sy hampihavana ianareo voafidy hanana andraikitra ao amin’ny Synoda, fa tsy natao hanakorontana sy hanjakazaka.

Marihiko ary anteriko tsara fa amin’ny anaran’ny tenako samirery, amin’ny maha olom-pirenena ary amin’ny maha zanak’Anosipatrana ahy, tsy iraka na mpisolovavan’iza na iza, no anoratako izao taratasy izao aminareo, Tompoko, ary iandrasako fanazavana sy fanamarinana avy aminareo.

Hanontany angamba ianareo, Tompoko, ny amin’izay fahefana ananako hangataka fanazavana aminareo ‘olona ambony’, dia hovaliako tsotra ihany : « Tsy manana antom-pisiana ny Synoda raha tsy misy ny mpiangona isam-piangonana ». Adidin’ny mpitondra ny manazava, ary zon’ny tsirairay ny mitaky fanazavana, mba tsy ho ‘misitery’ ny raharaham-piangonana, fa hanjakan’ny mangarahara.

Misaotra mialoha amin’ny valinteninareo, Tompoko.

Voahirana Rakotoarimanana,
Mpiandraikitra voalohany ny Antoko Mpanazava tao Anosipatrana
14 ôktôbra 2008

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS