Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 10h16
 

Malagasy

Hetsim-panoherana

Hiverina tsy ho ela ireo nitsao-ponenana

mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely

Andro sisa isaina, dia vonona ny hitodi-doha eto an-tanindrazana ireo nitsoam-ponenana any ivelany. Ireo voakasiky ny raharaha 2002, ireo mikasa hody eto Madagasikara ireo.

Ao anatin’ny hetsim-panoherana eto an-dRenivohitra izay tarihan’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, no anton’ity fiverenana ity. Andro maro lasa izay no efa nitsirian’izay fikasana hody eto Madagsikara izay, saingy mbola tao ny tahotry ny hisian’ny fisamborana ataon’ny mpitondra ankehitriny raha vao migadona etsy Ivato.

Taorian’ny dian’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina tany ivelany farany teo, dia voalaza fa nisy ny dinika tamin’ny sasany tamin’izy ireo. Fahombiazana no azo tamin’ny famoriam-bahoaka voalohany tetsy Ambohijatovo ny sabotsy lasa teo, ary nanakoako tany ivelany izay famoriam-bahoaka izay.

Mpanankanto iray fata-daza eo amin’ny vazo miteny, ary isan’ny nametraka ity fitondrana ity tamin’ny toerany, saingy lasa any ivelany no nahazoana io vaovao io.

Ny amiraly Ratsiraka izay voalaza fa ao anatin’ny tanjany tanteraka amin’izao fotoana no maniry hitodi-doha eto amintsika. Efa ela ihany koa no nisian’io fikasana io, saingy mbola tsy tanteraka. Miandry ny famoriam-bahoaka manaraka etsy Ambohijatovo, sy ny mety ho fivoaran’ny tolona no ahatongavan’izy ireo eto amin’ny tanàna. Voalazan’ity vaovao ity ihany koa anefa, fa misy ireo tsy te-hiverina intsony eto, satria mandeha ny bizina any ivelany, ary ao no mbola mianatra sy efa miasa any. Ireo manam-pikasana ny hiditra amin’ny raharaha politika no tena maniry mafy ny hiverina eto an-tanindrazana. Rahampitso alarobia, dia voalaza fa hisy fivoriana ataon’ireo Malagasy monina ao Paris ireto. Misy fanampiana ataon’ireo malala-tanana ho an’ireo Gasy ireo ihany koa amin’ny hetsika izay ataony rehetra any ivelany.

Andro maro tokoa izay no nanaovan’ireto Malagasy ireto hetsika manoloana ny masoivohontsika ao Paris. Niezaka nanontany ny fianakavian’ireo manana havana nitsoaka any ivelany izahay, ary voaporofo, fa arakaraky ny tanjaky ny tolona eto an-dRenivohitra, eny manerana ny faritra samy hafa no antoka amin’ny fiverenan’izy ireo.

Ny alahady teo no nandrenesana fivoriana tamin’ny fianakavian’ireto Malagasy any ivelany ireto natao teto an-dRenivohitra tokony ho tamin’ny 5 ora ariva. Ny fanentanana olona maro hitsena azy ireo eny Ivato no vontoatin’io fivoriana io, rehefa tonga ilay fotoana. Raha tsy mahomby kosa anefa ny hetsika rehetra eto izay tarihan’i Andry Rajoelina, dia hanohy ny fiainany any La-Frantsa ihany izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS