Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 17h34
 

Malagasy

Horonan-tsary Malagasy

Hitory ny mpamokatra ny mpilalao

vendredi 7 mars 2008 |  666 visites  | Naivo kely

Vita ny horonan-tsary, tsy nomena ny karama. Mitaraina ireo mpilalao sarimihetsika Malagasy izay nivoaka tamin’ny fahitalavitra iray eto andrenivohitra, fa tsy nomena ny volan’izy ireo. Sarimihetsika mitondra ny lohateny « Parapaingo », izay nahitana mpilalao maromaro. Ny tapaky ny volana septembra no efa nisy ny fandrirarina nataon’ny mpamokatra itony filma Malagasy itony.

Nitohy ny volana oktobra sy novambra izany, ary hatramin’izao, dia niasa maina ireto olona ireto. Nisy ny fifanarahana mazava izay voarakitra an-taratasy, nefa tsy voahaja izy io hatramin’izao. Miandry valin-teny farany any amin’ny mpamokatra izay nampiasa azy ireto olona ireto, ka raha dila ny fe-potoana nomeny azy handoavana ny karamany, dia hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana izy ireo.

Voalazan’ireto mpanao filma ireto, fa ny volana desambra teo, dia efa nivoaka an-gazety ity raharaha ity. Nisy noho io ny fandrahonana ho an’ireto mpilalao, izay nambara fa nanoso-potaka ny trano mpamokatra horonan-tsary. « Tsy handefitra manana ny rariny intsony izahay », hoy ireo tsy nahazo ny volany, « fa hampiakatra ny raharaha amin’ny sehatra ambony ». Dia ho gaga ve isika raha tsy mandroso ny horonan-tsary Malagasy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS