Maniry ny hiparitahan’ny fikambanana TGV sahady ny faritra maro na dia hita aza fa iray volana monja no tena nahazo laka teto amintsika io fikambanana io. Ireo no tsapa amin’ny fampiasan’ny mponina ivelan’Antananarivo ilay tanana manao « V » izay hambara ho mariky ny fandresena. Tsy avelanay hijanona eto an-dRenivohitra ihany ny TGV fa ho resena lahatra ny mpamorona azy mba hiparitahany manerana ny nosy. Saika re matetika io taorian’ny nahazoany ny fandresena teto Iarivo, ka zary nifanotofan’ny maro ny lamasinina TGV ankehitriny. Lany olo-manga ve i Madagasikara sa isika vahoaka no tia vao ? Toa zary mpitari-tolona mafàna fo no hikilasian’ny hafa azy na dia mbola tsy nahita ny fomba fiasany sy ny fahaiza-mitantanana aza ny rehetra. Miendrika fanosehana azy hanao zavatra tsy mifandraika amin’ny asa maha-ben’ny tanàna azy ny olona sasany, ka aoka tsy ho hentanim-po diso tafahoatra sao hivoaka ny lalam-by ny masinina, hoy ny mpitazana. Fikambanana heverina fa hanana ny toerany eto Madagasikara ny « Tanora Malagasy Vonona » (TGV), izay mety hifanahatsahana amin’ny antoko matanjaka iray eto amintsika raha toa ka voavaly ireo filan’ny mponina eto an-dRenivohitra nankinina tamin’ingahy TGV. Tsy vitsy noho izany ny any amin’ny faritra ny maniry ny hidinan’io ingahy ben’ny tanàna io any amin’ny faritany mba hanisy ity fikambanana ity. Hanaiky izany ve ingahy Andry Rajoelina sa aleony aloha hamita ny andraikitra izay napetraky ny mponina teto an-dRenivohitra taminy ? Mety hivadika antoko politika ve ity fikambanana ity sa hitazona ny foto-kevitra nijoroany talohan’ny naha-ben’ny tanàna azy ? Ny ampitso no hilaza ny valiny.
Hiparitaka ny TGV
jeudi 20 décembre 2007 |
| 1494 visites