Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 10h59
 

Malagasy

Pierre Andrianantenaina

Hilatsaka ho filoham-pirenena

jeudi 12 juillet 2007 | Naivo kely

Tsy misy antony tsy hidirako amin’io sehatra io, satria raha ny hevitra aho manana betsaka, raha vola kosa ny an’ny sasany. Io no fanehoan-kevitra nataon’ingahy Pierre Andrianantenaina raha nivahiny tao amin’ny « Aceem Radio » ny tenany, ka nilazany fa hanomboka amin’ny fiomanana amin’izany ny tenany.

Ny fahampahafantarana dieny izao ireo olana diavin’ny firenena no atao mialoha mba ahaizan’ny Malagasy mandinika tsara, na voafitaka izy na tsia. Ilaina ny fanovana dieny izao ny lalàm-pifidianana ary mankasitraka ny hanaovana ny bileta tokana izy sy ny antoko tarihany dia ny « Farimbona ho an’i Madagsikara vaovao », ary rariny ihany koa raha sehatra hafa ny mitantana ny fifidianana. Mila mamondron-kery ny mpanohitra mitaky ireo, satria raha mbola hanjakan’ny samy maka ho azy, dia hanaovan’ny mpitondra be marenina ny fitakiana.

Manoloana ny fiparitahan’ny laza adina farany teo kosa dia efa an-taonany maro no tsy nahitana io teto Madagasikara, saingy io miverina io indray izany izao. Tokony hametram-pialàna ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena manoloana ny korontana eny amin’ny oniversite eto Madagasikara sy ny fiparitahan’ny laza adina, satria heverina fa fahadisoana goavana ny toy izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS