Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 08h38
 

Malagasy

Voasambotra i Pety

Hilalao vola be ny mpitandro ny filaminana

vendredi 20 juillet 2007 | Naivo kely

Fito volana mahery no nisitrihan’ingahy Pety Rakotoniaina tany rehetra tany, ka omaly tamin’ny efatra sy sasany no voasambotra tao Ambanimaso toerana ankaikin’ny sary masin’i Maria ka ahitana ala PIN, ary nandositra ka tratra tao Anendaka an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa ny tenany. Tsy lasa lavitra araka ny nambaran’ny sasany akory izy fa teo amin’ny manodidina teo ihany no nitampify tao an-tranon’olona, ary tsy nisy fifampitifirana nandritra ny fisamborana. Hampiakarina avy hatrany aty an-drenivohitra ity ben’ny tanàna teo aloha ity miandry ny famotorana ataon’ny mpitandro ny filaminana.

Mahagaga ny rehetra ihany izao fahatratrarana an’ingahy Pety izao, satria fantany tsara fa olona karohan’ny mpitandro ny filaminana ny tenany, kanefa dia tsy niala lavitra ny tanàna ny lehilahy. Sa nitolo-batana noho ny fahitana, fa migadra any am-ponja ny vadiny ? Raha izay no marina dia nitombina ny fomba fijerin’ny mpanao politika milaza fa gadraina ny vadiny ka tsy maintsy mipoitra ho azy ingahy Pety. Fanamby lehibe ny napetraky ny fanjakana ho sandan’ny fahazoana azy izay vola mitentina 100 tapitrisa ariary. Ankilany dia nanao fanamby goavana ihany koa i Pety nilaza fa omeny vola 1 miliara izay mahasambotra azy. Tratra anefa izy izao koa mazava ho azy fa ny mpitandro ny filaminana sy ny loharanom-baovao no hifampizara ireo, ary dia hilalao vola be ny mpitandro ny filaminana satria efa tratra ity olona nokarohina ity izao.

Heloka momba ny fiara 4x4 tsy hita fon’izy PDS, ary eo ihany koa ny fanakorontanana mialoan’ny fifidianana sy fanompana ary fandrahonana mpitandro ny filaminana no isan’ny heloka hiampangana azy, koa miandry ny vokatry ny famotorana atao aminy manomboka anio ny rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS