Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Malagasy

Fifanatonan’ny hery rehetra

Hiandrasana vahiny indray ve ny fampihavanana ?

lundi 18 juin 2007 | Naivo kely

Zary lasa am-bava fotsiny sisa ny fiantsoana ny fifanatonana eo amin’ny hery rehetra eto amintsika mba ahitana ny marimaritra iraisana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana mba ialana amin’izao fifandrafesana mamotika ny tanindranazana izao. Miantso ny hery tsara sitra-po ny fanjakana izay hilazany fa misokatra ny varavarana ary ventesina isaky ny mikabary ny filoha, saingy tsy mbola hita aloha hatramin’izao izay antoko, indrindra fa ny avy aty amin’ny fanoherana, nanohina io antso io.

Ny Pasitera Mailhol irery no heno fa nangataka fihaonana teny Ambohitsorohotra, saingy mbola tsy voaray hatramin’izao, na dia efa tamin’ny volana avril aza no nanaovany izany.

Ny mpanohitra sy ny hery politika rehetra dia mangataka io fihaonana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra io, ka na ny fikambanana Manaovasoa tarihan’i Dokotera Manan’Ignace aza dia nanambara fa alohan’ny 26 Jiona izao no tokony hanaovana izany.

Miantso firaisan-kina i Lahiniriko

Ny sabotsy teo teny amin’ny trano fonenany teny Itaosy dia mbola nanamafy io fiantsoana ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena io i Lahiniriko Jean filohan’ny antenimieram-pirenena teo aloha, ka isan’io nantsoiny io ny mpanao Politika ao amin’ny mpanohitra. Ny ray aman-dreny ara-pinoana, ny fiaraha-monim-pirenena, ireo tsara sitra-po rehetra, ary na ny mpitondra fanjakana aza dia nanaovany io antso avo io. Aoka mba samy hanala ny hambom-po ka hifanatona eo amin’ny latabatra boribory hiaraka hitady vahaolana haingana amin’izao mianjady amin’ny firenena izao, mba hanavotana ny vahoaka Malagasy. Voatsiahiny tamin’io fotoana io ny olana maro izay diavintsika eto Madagasikara ka io fifanatonana io ihany no vahaolana haingana.

Inona no sakana ?

Firy tamin’ireo mpanao politika na mpitondra fiangonana na olon-tsotra eny fa na ny mpitondra tokoa moa no tsy niantso ny fifanatoana tahaka izao mba hiarahana mitady ny marimaritra iraisana, saingy hatreto dia mbola mijanona ho faniriana fotsiny ireo.

Sa ve ilaina atao any ivelany toy ny natao tamin’ireny raharaha 2002 tany Dakar ireny vao ahay hifanatona isika ?

Hatraiza ny hambom-po eo amin’ny firenena ambara fa mahaleo tena tahaka an’i Madagasikara raha ny mponina ao aminy aza tsy mahay mihavana manoloana ny loza mitatao amin’ny fireneny ? Tsy ho voatery hizara toerana anie rehefa mihaona na midinika fa atao kosa ny famahana ny olana rehetra sao izay no hatahoran’ny sasany.

Koa aoka tsy hiandrasana vahiny lava izao ny fampihavanana ny samy Malagasy fa ny soa toaviny izay napetraky ny razana tany aloha mbola tsy lany hamamiana matoa mbola maro ny vahiny any ivelany no midera antsika Malagasy, saingy ho rava tsy ho ela io raha samy mizirizy amin’ny heviny ny tsirairay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS