Niravona ny olan’ny federasiona sy ny FIFA. Ho raikitra indray ny baolina, ary faly ny Malagasy. Tsy asiana resabe intsony momba ny didy famerenana ny federasiona amin’ny andraikiny, izay io raharaha io ihany koa no antony nampiatoana ny ministra tamin’ny asany.
Niravona io ny olana, ary afaka manao ny asany antsakany sy andavany ny federasiona. Efa hita ihany koa ny famondronana ny mpilalao hiatrika ny lalao iraisam-pirenena afaka folo andro. Ny baolina kitra iny no nivaha ny olana fa ny sehatry ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina ary ny fialam-boly mba manao ahoana ? Io no maha-firenena ny firenena, nefa toa mbola mpitondra vonjimaika indray no napetraka eo. Haverina amin’ny toerany amin’izay ve ny ministra Ramiaramanana sa ahoana ? Ny fantatra mantsy dia ny fiandrasana io fifampiraharahana tamin’ny FIFA io no antony nampiatoana ity ministera ity tamin’ny asany. Mino isika fa tsy andraikitry ny ministra samy irery ireny fanampahan-kevitra ireny, fa ny fanjakana manontolo. Ny filoham-pirenena no tompon’ny teny farany ka andrasana izay mety ho famerenana ny ministra Ramiaramanana amin’ny toerany. Na fanendrena ministra vaovao satria tsy lany olomanga i Gasikara.