Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Santé

Bilan épidémiologique

Hausse des décès et baisse des contaminations

vendredi 14 août 2020 | Fano Rasolo

Le nombre des décès liés au Covid-19 augmente encore malgré le recul des contaminations. Six (06) décès ont été enregistrés hier succombé, dont quatre (04) à Analamanga. Ainsi, Madagascar recense désormais cent soixante-deux (162) décès depuis le début de l’épidémie.

Le taux de positivité aux tests réalisés est à la baisse depuis maintenant trois semaines. Cent vingt-cinq (125) cas ont été confirmés positifs mercredi dernier sur sept cent trente-trois (733) tests effectués dans toute la Grande Ile, portant le taux de positivité à 17, 05%.

- Nouveaux cas de contamination : 125 cas trouvés sur 733 tests PCR et Genexpert

  • Analamanga : 49 cas positifs
  • Alaotra Mangoro : 24
  • Menabe : 9
  • Vatovavy Fitovinany : 9
  • Boeny : 9
  • Haute-Matsiatra : 7
  • Sava : 7
  • Diana : 6
  • Sofia : 2
  • Atsimo Andrefana : 2
  • Itasy : 1

- Nouveaux cas de guérison : 251

  • Analamanga : 192 guéris (179 guéris par traitement à domicile, et 13 dans les hôpitaux et sites de traitement)
  • Diana : 18
  • Atsimo Andrefana : 16
  • Alaotra-Mangoro : 13
  • Boeny : 4
  • Bongolava : 4
  • Sofia : 2
  • Haute-Matsiatra : 2

- Malades souffrant de la forme grave : 85, dont 54 à Analamanga et 31 dans quatre autres régions :

  • CHU de Befelatanana : 29
  • HJRA : 10
  • CHU d’Anosiala : 7
  • CTC de Mahamasina : 6
  • CHU d’Andohatapenaka : 1
  • Fenoarivo : 1
  • Haute-Matsiatra : 16
  • Vakinankaratra : 7
  • Boeny : 4
  • Atsimo Andrefana : 4

- Dernier bilan :

  • Confirmés : 13 522
  • Guéris : 11 780
  • Malades sous traitement : 1 580
  • Formes graves : 85
  • Décès : 162

- Tests PCR effectués : 50 493 (entre le 19 mars et le 12 août)
- Tests Genexpert : 4 179

12 commentaires

Vos commentaires

  • 14 août 2020 à 09:06 | Shalom (#2831)

    Ny tena mampalahelo dia ny mbola fahasahina mampiseho ny tarehi-marika toa izao kanefa efa fantatra fa fijery diso tsy milaza ny zava-misy ilay izy.
    Rahoviana vao mba hanao zavatra marina ny fitondrana jiolahim-boto ?
    Efa zatra mampitaha ihany ny sasany eto koa mba jereo ny ataon’ny firenen-kafa izay tsy misalasala milaza fa tokony hitandrina satria mitombo ny isan’ny marary vaovao ; ary dia lazainy izany isa izany fa tsy amboarimboarina hilazana fa voafehy ilay izy.

    Eo no ahitana fa tsy mitovy ny toe-tsaina :
    - ny an’i DJ bac-13 dia ny fiarovan-tena sy fisehoana fa mahafehy (tahotra ny vava navoaka hatrizay sy ny fisian’ilay CVO), izay no betsaka sy antom’pitondran-tena voalohany
    - ny an’ny firenena hafa kosa dia ny mampiseho satria na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho fantatra izany ary indrindra fa ny fampisehoana izany no mahatonga saina marina ny vahoaka.

    Maninona ary no tsy alain-tahaka izany fanaon’ny firenena hafa izany rehefa atao ihany ny fanoharana isak’izay miseho ry DJ sy ny sbirri-ny ?

    Ny toa izao no atao hoe FANAPARAM-PAHEFANA, satria ianao no mitondra koa dia izay rehetra lazainao dia tokony ho hinon’ny rehetra ho marina eny fa na dia lainga famitahana toa izao isa aparitaka isan’andro izao aza.
    Asa, rehefa hitsingidina an-kady i Madagasikara sy ny malagasy manontolo vao ho tonga saina ny rehetra ?
    Na efa tena mitsingidina tokoa isika k’izany no tsy hirarahian’ny fitondrana intsony ny vahoaka malagasy ?

  • 14 août 2020 à 09:28 | Shalom (#2831)

    Mitohy hoy aho ny fahatanterahan’ilay faminanian’i DJ bac-13 momba ny « PIC » sy ny fihenan’ity valan’aretina ity.
    Dia mihena hono izy ity eny fa na dia misy sy mitombo aza ny isan’ny maty.

    Dia ho sanatrian’izany ve ka hitapi-maso tokoa ireto malagasy ka tsy ahita izany fitaka be vava izany ?
    Sa izany no hitazonan’azy ireo ao anatin’ny fahantrana mba tsy ahafanany mieritreritra sy mijery ny TENA zava-misy ?

    Tena fitondran’i Staline, Hitler na i Kim-Jong-un no nanao sy manao ny toa izany.

    • 14 août 2020 à 09:43 | Isandra (#7070) répond à Shalom

      Shalom,

      Ny mpanao météo izany mpaminany ?

      Tsy faminiana izany ry tsy mahafantatra, mba tsy itenenana zavatra hafa, faminavinana(prévision) taorian’ny dinika tamin’ireo manam-pahaizana. Mazava ?

    • 14 août 2020 à 10:20 | Maxim (#5960) répond à Shalom

      Isandra,
      Aiza tokoa ilay mpaminany vavy nareo iny izao e ?
      Tsy aleo ve nanakarama an’i Maihol toy izay nomena vahiny ny volabe, kay moa efa talentanareo mihitsy ity manome vahana ny vahiny ity.

    • 14 août 2020 à 12:28 | vazahagasy taratasy (#10911) répond à Shalom

      Ka io ilay fitiavan-tena tafahoatra. Mihevitra ny tsy ho voa rizareo fa matoky be loatra ny chloroquine sy cvo.

      Tsy hitany angamba ilay 1er ministre britannique nilaza hoe avelao ho voa ny 60% dia immunité nationale « preparez-vous a enterrer vos proches » hoy izy.

      Ny zavatra tsy nampoiziny dia ilay hoe manan-tsofina ity virus ity ka dia nataony voa i rangahy. Efa nijaly tany @ hopitaly vao niova hevitra dia natao confinement total indray ny politika...

      Izay maharitra hono vadin’andriana, wait and see !

    • 14 août 2020 à 12:44 | Isandra (#7070) répond à Shalom

      Maxim,

      Izy no napiditra vola teto tamin’ny fanaovana an’ilay lakroa, fa tsy nisy nandoa vola tamin’izany.

      Izaho koa aloha tsy dia mino an’iny, na dia misy fifandrifian-javatra aza. Hahita fanafody mahasitrana, dia toa nifanojo io, 87% ny marary sitrana avokoa.

  • 14 août 2020 à 13:41 | ASSISE (#10453)

    Mahafinaritra kosa aloha ny mahita olona mpanaraka be anefa tsy mahazo na tsy mankatoa ny hevitra bontolo haroson’ny akamany.

    Ity fomba filazana ny antontanisan’ny COVID19 ity ve ilay tonga amin’ny fitenenana hoe : tsipakin’ny miala aina ?

    Satria mihena be ny isan’ny voa dia mamono mahafaty ary mahery vaika tampoka teo i COVID19.

    Sa mifono tsiambara vahoaka io antontanisa io ?

    Fanirina tokoa ny hahafoana haingana ny COVID19, na izany kosa aza : ny marina ihany lazaina ny vahoaka.

  • 14 août 2020 à 14:19 | Vohitra (#7654)

    Efa maika sy dodona ny hankalaza amin ny fomba manetriketrika ny 14 oktobra 2020 ny mpanao angoantenda ka dia ampiasaina ny fahaizanana milalao tarehimarika hanondroana fa andalana ny ho resy ny valanaretina.

    Efa mba nomena fotsimbary kely aloha dia omanina indray ny saina mba hibanjina ity antontanisa notsongaina hifanaraka amin ny tanjona sy fenitra politika.

    Efa nolazainy efa ela fa ny septambra no atao ny fanadinam-panjakana koa noho izany tsy maintsy midina io ary tsy maintsy resy io, dia ho foana ho azy io.

    Na dia dimy volana aza no nikatona ny sekoly dia atao ny fanadinana dia izay vita fahiny fotsiny no hanadinana dia omena ny diplaoma manarapenitra volomboasary dia vita any iny, dia hirosoana ny lanonana...

    Izay marary manatona ny toby, izay tsy hanatona dia mijanona any amin izay misy azy any, izay manana fanafody dia mitsaboa tena, izay tsy manana mandehana mijery izay misy eny amin ny CSB, dia ataovy mahafapo izay misy eny, ary izay manana manjo dia mahaiza mionona...

    Tsy maintsy miroso mihinana ny IEM aniny daholo fa aza manahy, efa hivadika ny pejy sy ny tantara, aza matahotra fa ny kiho raisina...

    Fa angaha heverinao fa misy azonao tazonina ho tomponandraikitra amin izao eto ?

    Nively rano no nataony fa tsy nanao voady velively taminao akory izy !

    • 14 août 2020 à 15:32 | Shalom (#2831) répond à Vohitra

      Mankasitraka amin’ny fanomezana tsinjaran-kevitra momba ilay fomba faminaniana.

      Taiza tokoa rangahy no nisy mpitondra firenena hanao toa izany, dia hoe efa nifandinika tamin’ny mpahay siansa hono k’ireo no nilaza izany.

      Mba nianatra ihany aho fa dia talanjona mihitsy hoe fa dia fahaizana avy taiza no hananan’ny sasany ka ahafahany « maminany » toa izao ! Mba tiako ho fantatra hoe mba iza ireto siantifika resahina hoe nanontanian’i DJ hevitra.

      Tena faminaniana anie ilay izy e ! Dia iny ilay valanaretina fa mitsitsorika midina rehefa manakaiky ilay daty nolazainy.

      Fa siansa inona loatra re izany fa mba tianay hianarana, tena raitra sy mahitsy tifitra tsy mibilabila.

      Ireo mpikaroka miara-miasa amiko moa dia gaga mihitsy hoe : "blague ve hono izany lazaiko izany na sao dia aretin-tsain’ny tany mahantra kosa ?
      Eo am-pandrenesana izany ny tena no marary fo satria ataon’ny olona fihomehezana miampy eson-teny ny zava-misy eto amin’ny tanàna, inona moa no azo avaly fa dia mangina ny tena.

    • 14 août 2020 à 15:40 | Isandra (#7070) répond à Vohitra

      Vohitra,

      Izahay aloha efa tena te hanao fety, fa tena mafy loatra izay nahazo nadritran’ny 5 volana izay.

      Io ve tsy hohitan’ny havany eo ihany raha hoe tsy mifanentana ny tarehy marika sy ny zava-misy eny an-toerana.

      Ny fahitako azy aloha, na sanatria aza ka tsy tarehimarika mirakitra ny izy rehetra io, dia efa azo lazaina hitarafana ny zava-misy eny amin’ny quartier rehetra eny raha ny eto Antananarivo fotsiny ohatra. Amin’ny tanana manodidina anay aloha tena efa tsy dia heno firy intsony hoe ianina hono voa na inona hono izao, ny CSBII rahateo tsy dia mibosesika firy ny olona mankeny. Asa na inona no handikan’ny sasany an’izany.

    • 14 août 2020 à 15:44 | Vohitra (#7654) répond à Vohitra

      Shalom,

      Fa angaha hadinonao tamin ilay resany farany teo iny ka nilazany fa ho lasa mpividy legumes sy poulets de chair indray ny fanjakana, dia avy eo ireo vokatra ireo no alefa omena amin ny vatsy tsinjo...

      Dia gaga mihintsy ny tena hoe fa inona re ity manjo ny Firenena no tena voa mafy mitotongana toy izao...

      Efa nanome baiko an i Ragova isany hono izy hijery ny vokatra hovidiana...

    • 14 août 2020 à 16:33 | Shalom (#2831) répond à Vohitra

      Dia tena izay ve no ilana filou ?
      Isak’izay mivoaka, isaky ny 15 andro eto no ho ity hamehana ity na rehefa nde-hitsena entana ny « coursier DJ bac-13 », dia tsy maintsy mahita zava-baovao ho resahina.

      Na ireny no antsoina hoe fampandriana adrisa, na ireny no atao hoe tapin-kenatra mba tsy ahitana fa mitanjaka tsy manan-kevitra ary tsy mahomby ity fitondrana ity ka vava no atao betsaka satria mampandry saina ny vahoaka izany (efa nisy amin’ireo mpomba azy no nitatitr’izany teto).

      Dia ahoana ? Inona ny tohiny na koa hoe inona indray no havoakany amin’ny manaraka eo ?
      Ny ataon’ireo ankizy eto Madagasikara ankehitriny dia manao fanangonana (collection) ireo fampanantenana ataon’ity filou ity.
      Dia lasa kilalao fifaninanana ilay izy, mampalahelo.

      Nahoana moa no tsy ho toa izany ny zava-miseho ? Jereo ireto minisitra midina manao ny fanisana olona, ilay filou mitsena entana eny amin’ny seranam-piaramanidina.
      O ! Re olona e ! F’angaha tsy misy atao ireto mpitondra no izany sisa ataony sa tsy mahalala izany atao hoe fitondrana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS