Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 19h47
 

Culturel

Kaminina Ambositra I sy II

Harenina ny Rovan’Ambositra

mardi 11 novembre 2008 |  572 visites 
Fanombohan’asa roa sosona no nomarihina tao Ambositra

Fanombohan’asa roa sosona no nomarihina tao Ambositra. Voalohany amin’izany ny fanombohan’ny asa lalana avy eo Ilanitra mampitohy an’Ambohiponana sy Andranonanahary, ka hanatsarana ny fifamoivoizana amin’ireo Fokontany telo ireo. Ny FER no nahazoana ny famatsiam-bola mitentina 92 millions Ariary ary haharitra 4 volana eo ho eo ny asa ka mirefy eo amin’ny 3Km 400m. Faharoa hetsika fanaingana ny vahoaka handray anjara amin’ny fanarenana ny Rovan’Ambositra izay rava teo aloha. Ka ny fantatra aloha hatreto dia efa mijoro ny “Comité National du Patrimoine” avy ao amin’ny Présidence ka nitondra 20 milions Ariary hoan’ny fanarenana ity Rovan’Ambositra ity ka ho fanampiana sy ho fanohanana io lelavola io no anton’ny ezaka fanaingana ny rehetra.

Fa ho an’ny Kaominina Ambonivohitr’Ambositra dia noraisina sy naseho ny vahoaka ihany koa ny kamiao miaraka amin’ny bac à ordures 3. Nomena hazo voamboana longrine 30 ihany koa ireo mpanao asa tanana eto Ambositra hanampiana azy ireo eo amin’ny asa fivelomany. Samy fanomezana avy amin’ny Prezidansin’ ny Repoblika avokoa ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}