Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 12h51
 

Malagasy

Gisèle Rabesahala

« Hanjakan’ny be marenina ny tanàna »

jeudi 22 janvier 2009 | Naivo kely

“Minia manampi-tsofina ny fanjakana foibe manoloana ny sakantsakana ataony amin’ny kaominina eto Antananarivo-Renivohitra, ka eo no mahatonga ny fihetseham-bahoaka ankehitriny. Azo atao tsara anefa ny misoroka izany, raha toa ka navela hiasa am-pilaminana ny ben’ny tanàna. Efa ela no tsikaritra io fifandonana teo amin’ny mpitondra sy ny kaominina io, ary tsy nety niravona ny olana. Tsy ho gaga isika raha vahoaka maro be no tonga nihaino ny ben’ny tanàna ny sabotsy lasa teo, satria hetsika ho fanaporofoana iny, fa misy fitakiana ataon’ny ankamaroan’ny Malagasy eto. Ny endriky ny sakantsakana sy ny fanapenam-bava atao amin’ny sehatra maro no anton’iny”, hoy ramatoa Gisele Rabesahala.

Ilaina ny nametrahana iny kianjan’ny demokrasia iny, mba ahafahan’ny rehetra miteny sy maneho hevitra. Raha kobonina hono ny alahelo, dia miteraka zava-doza.

“Mbola hihenjana amin’ireny hetsi-bahoaka ireny ve ny fitondrana ?”, hoy ity mpanao politika ity. Aoka hipetraka ny fihainoana, fa tsy hanao be marenina. Tsapa fa mitombina avokoa ny fitakiana ataon’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina sy ireo vahoaka maro tonga teny Ambohijatovo. Ny fanatanterahana azy sisa andrasana.

Lalàna hifehy ny antoko politika

Momba ny fandaniana ny lalàna hifehy ny antoko politika eto amintsika kosa, dia tsy mankasitraka iny Rtoa Gisèle Rabesahala. Ny antony, dia tokony hanana zo hilatsaka ny Malagasy rehetra. Tsy tokony ho ferana ihany koa ny fanaovana kongresy, na folo taona na latsaky izay. Ny antony, dia manana ny fitsipika hitondrany azy ny antoko isan’isany, fa tsy ho ferana tsy maintsy hanao izany isaky ny telo taona. “Tsy ny antoko TIM izay vao niforona omaly”, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny Akfm ity, no ahafehy ny fanaovana politika eto Madagasikara”. Aminy dia tokony nisy ny fiarahana nidinika teo amin’ny lafin-kery samy hafa nentina namolavola izany sata hifehy ny antoko politika izany, fa tsy olona notsongaina toy ny hita teny Iavoloha farany teo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS