Orinasa Malagasy heverina fa hiarin-doha rehefa nomena notantanin’ny vahiny ny Air Madagascar, kanefa anjaran’ny maro no mitsara na misy tombony io ankehitriny na maty antoka. Miahiahy amin’ny mety ho avin’ity orinasa ity avokoa ny ankamaroan’ny rehetra, satria ho tapitra ny volana aprily ho avy izao ny fanofana ny boeing 767, ary mazava ho azy fa hiroso amin’ny fifanarahana vaovao indray izany isika. Raha ny fantatra anefa dia mety ho avo roa heny amin’ny fanofana azy ankehitriny ny hofany ka hiteraka faty antoka ho antsika ny vokatry izany. Tsy maintsy hisy ny fifanarahana amin’ireo zotra hafa raha hiena ny sidina ataon’ny Air Madagascar vokatry ny tsy fahampian’ny fiaramanidina, ka ny Air France na Air Austral, na ny Corsaire no ahazo tombony betsaka amin’io. Mety ho foana ihany koa ny zotra mivantana mihazo an’i Bangkok ka mbola iretsy zotra vahiny iretsy no hitatitra mivantana ireo mpandeha. Hisy fiantraikany mivantana amin’ny toe-karena malagasy io, noho ny mety hienan’ny vahiny hizaha tany eto Madagasikara. Tsy maintsy mitady ireo mpandraharaha vahiny manana fiaramanidina afaka hiarahana miasa isika, saingy ahazaka ny fifanarahana ara-bola amin’izy ireo ve isika ? Tsy zoviana amin’ny rehetra fa na samy eo aza ny zotra vahiny sy ny Air Madagascar, dia hita fa mahalana vao mahafeno fiaramanidina isika raha mitaha amin’ny zotra hafa. Tsy takona afenina ny fiaraha-miasa nataon’ny fanjakana malagasy tamin’ny Lufthansa izay voalaza fa hanarina ity sehatra iray ity, ary nokaramaina vola be tokoa, saingy miarina ve izy io ankehitriny sa milentika ? Mino isika fa hisy fanazavana misimisy kokoa ho hambaran’ireo tompon’andraikitra isan-karazany mba tsy hamono antoka ity fananam-panjakana ity.
Hanao ahoana ny Air Madagascar ?
lundi 28 janvier 2008 |
| 2204 visites