Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h07
 

Société

Fikambanana Miarintsoa

Hanampy ny tananàn’i Vangaina

vendredi 28 novembre 2008 | Franck Raj

Vangaina, tanàna 45 km miala ny renivohitra ary 10 km avy ao Mahitsy. Mikarakara hetsika ara-koltoraly ny fikambanana Miarintsoa izay mijoro efa ho herintaona izao. Ny tanjona moa dia mba ho entina hanampiana ny fokontany any an-toerana amin’izao an- katoky ny fety izao. Ka mba hahafahan’ny fikambanana manatanteraka izany dia hifamotoana miaraka amin’ireo mpihira efa sangany eto amintsika indray ireo mpandala ny kanto ny faha-5 desambra ho avy izao. Etsy amin’ny Espace Mon Goûter etsy Andrefan’Ambohijanahary no hisehoan’izany ka hanomboka amin’ny 9 ora alina. Hanana endrika cabaret ny fotoana ary hafanain -dry Rija Ramanantoanina, Fàfà ao amin’ny tarika Mahaleo ary Goth Lieb. Ho tonga hanotrona ny feomangan’izy telolahy i Fara sy Prisca.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS