- Maître Avoko mitarika mivavaka
"Tsy mety intsony ny fiainan’ny mpiray firenena eto Madagasikara, hoy Maître Avoko Rakotoarijaona, na inona na inona fiovana natao !"
Manaitra ny rehetra izy ankehitriny, hiova ary hitodika amin’Andriamanitra, hitady vahaolana hanavotana ny firenena amin’izao fahavoazana tsy eran’ny aina izao. Firenena nahalala an’Andriamanitra hatramin’izay i Madagasikara, araky ny fanazavan’i Maître Avoko, ary niaina tamin’ny fahatahorana azy foana mandra-pidiran’ny kolontsaina vahiny noraisintsika nanapotehana io nampiavaka ny malagasy io, ka nahavery ny maha-izy azy sy ny fanavotana tokony ho anjarany.
Fiombonam-bavaka
Tsirin-kevitra itarihany ny firenena iray manontolo ary manomboka ny zoma 15 aogositra izao ny fiaraha-manandra-bavaka hangataham-panafahana amin’Andriamanitra satria tsapa fa tsy hisy hahavaha izao olana itambarambe eto amintsika izao raha tsy izy ihany. Andro masina sady androm-pitiavana ny zoma, hoy izy, ka tsara hiaraha-mivavaka. Mbola soso-kevitra avy aminy ihany koa ny hifamotoanana isaky ny amin’ny 8 ora alina hanaovana io vavaka iraisana io mandritry ny 2 minitra ka tsy hifidianana toerana ny fanaovana azy.
Hiova isan-kerinandro kosa ny lohahevitra hiarahana ary hampahafantarina ny malagasy rehetra amin’ny alàlan’ny fampitam-baovao izay lohahevitry ny vavaka hatao isaky ny zoma.
Tsy ho ela dia hahitam-bokatra ity fomba ity raha manam-piniavana ny rehetra, hoy ny mpitarika ka tsy ilana fifanonganana intsony na tsy mandeha aza ny fitantanan-draharaha satria tsy ny mpitondra no hamaha ny olana fa Andriamanitra.