Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 11h48
 

Malagasy

Sefo fokontany

Hahazo ny soa sy ny tsara…

mercredi 12 septembre 2007 | Volana R.

Faradoboky ny fiofanana ho an’ny sefo fokontany (SFKT) ity herinandro ity. Ny faritra Vatovavy Fitovinany, Atsimo - Andrefana, Anosy (Amboasary) ary Diana (afa tsy Antsiranana II sy Ambanja) no manana anjara amin’izany. Miisa 3064 izy ireo , amin’ity indray mitoraka ity.

Sambany…

« Nahita ny tsy fahitanay izahay », hoy ny SFKT Razafindrasamy Gabriel, nisolo tena ireo namany, teo amin’ny lanonam-panokafana. « Sambany tokoa izahay no nanitsaka ny Lapam-panjakana aty Iavoloha. Misy aza no izao vao taty an-drenivohitra. Efa fampianarana ho anay izany, ary isaoranay ny mpikarakara ».

Fampiofanana hanamafisana ny fahaizany no anton’ny fiofanana. Isan’izany ny fianarana hahay hitarika ny fokonolona, hiara-hientana ho amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny, amin’ny fanatsarany ny fari-piainany indrindra indrindra. Eo ihany koa ny fahaizana mitarika amin’ny fanovàna ny fomba fiasa na fisainana, ka ahomby amin’ny fanatanterahana ny tetikasa lehibe Madagasikara Am-Perinasa. Eo indrindra no ilàna ny fahaizan’ny SFKT manangana tetik’asa, miaraka amin’ny fokonolona . Ankoatra izay, dia hatsaraina ny fahaiza-mitantana sy fandraisana andraikitra, ka ho SFKT « sahy hanova, sahy hitantana, sahy hitarika » no tanjona.

Mazava ny fanohanan’ny Fanjakana

« Tsy ho irery ianareo, hoy ny Filohan’ny Repoblika, Ravalomanana Marc, fa eo mandrakariva aho, eo ny sampan-draharaham-panjakana isan-tokony hanohana anareo. Ampiharo ny fiofanana dia hizotra miaraka ny fandrosoana an’i Madagasikara ».

Omaly ihany koa no nilazan’ny Filoha Ravalomanana fa ireo « coaches » nampanantenaina dia efa vonona. « Ireo mpianatra nivoaka ny NLIM (National Leadership Institute of Madagascar- Iavoloha) sy ENAM (Ecole nationale d’administration de Madagascar – Androhibe) no hanome tànana ireo SFKT manerana ny Nosy, miisa 17433 ». Ireo « coaches » ireo izany dia hanana andraikitra mazava, dia ny manara-maso sy manoro-hevitra eo amin’ny fampiharana ny fiofanana sy manome tosika ny SFKT amin’ny fitadiavana lalana hahatomombana ny tetik’asa ho an’ ny rehetra.
Ny tale jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana, Abdou Salam, rahateo moa, no mpiara-miasa mavitrika amin’izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS