Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 13h05
 

Malagasy

Fanarenana ny renivohitra

Hadino indray ny faritra iva

vendredi 2 mai 2008 | Naivo kely |  572 visites 

Mitohy ny asa atao eto andrenivohitra. Hita taratra io raha mandalo etsy Analakely amin’ny fametaha ireo sakana vy amoron’arabe, sy fanarenana ireo toerana manan-tantara toy ny etsy Ambohijatovo.

Tsara ny fitoizan’ny asa satria izay no fandraisana andraikitra eo amin’ny fifandimbiasam-pahefana. Vita ihany koa ireo fifanarahana amin’ny firenena hafa, ary ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina dia efa nanambara fa hanomboka amin’izay ny tena asa eto andrenivohitra. Velon-taraina sahady anefa ireo mponina eny amin’ny faritra iva, fa toa tsy mba misy resaka ny momba azy ireo. Toa ny hitan’ny maso ihany no hatsaraina hatramin’izao, fa ilay tena olana goavana mianjady aty amin’ny faritra iva toa tsy misy resaka. Isan’ny toerana maro mponina ny faritra iva, ary tsy nisy kandida izay tsy nanome fampanantenana tsara lahatra teny rehefa tonga ny fifidianana isan-karazany. Manao antso avo amin’ny ben’ny tanàna ireto mponina eny amin’ny faritra iva ireto, mba tsy hanao faralahin’asa ny toerana eny amin’ireny faritra iva ireny. Mbola averina amintsika ve fa toerana hiangonan’ny fofona sy ny loto, ary ny fahantrana ny faritra iva eto amintsika ? Enga anie mba tsy ny ho talaky maso ny ahazo ny anjara-tandrifiny, fa ny renivohitra manontolo, satria vahoaka iray isika mianakavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}